Madagasikara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Andalana faha-120:
 
=== Fiarovana ===
Ireo fanjakana naorin’ny foko toa ny Sakalava, ny Merina ary ny foko hafa no manorona ny tafika voalohany tao Madagasikara. Nampiasa lefona izy ireo fa taty aoriana dia nampiasa basilava, tafondro ary fitaovam-piadiana mampiasa vanja hafa.<ref>Barendse (2002), t. 259–274</ref> Tany am-piandohan’ny taonjato faha-19 dia saika nanjaka eraky ny nosy ny mpanjaka Merin’nyMerin’ ny [[Fanjakan’iFanjakan'i Madagasikara|Fanjakan' i Madagasikara]], tamin’ny alalan’ny tafika ahitana olona telo alina tsara ofana ary tsara fitaovana.<ref>Freeman & Johns (1840), p. 25</ref> Nahatonga an’ny priminisitra [[Rainilaiarivony]] hangataka fanampiana amin’ny Britanika momba ny fiofanana ny tafika Merina ny fanafihan’ny frantsay ny tanàna eo amin’ny amorontsiraka. Na dia nisy aza ny fiofanana sy ny fahaizana nentin’ny britanika, nilefitra noho ny fanafihan’ny tranon’ny mpanjaka tao Antananarivo ny tafika malagasy. Lasa zanatany frantsay i Madagasikara nanomboka tamin’ny 1897<ref>Chapus & Mondain (1953), p. 377</ref> hatramin’ny taona 1960.
 
Naverina niaraka tamin’ny fahaleovantenan’i Madagasikara tamin’i Frantsa ny fahaleovan-tenan’ny taika malagasy izay nahitana ny tafika an-dranomasina, ny tafika an-kabakabaka, ary ny tafika an-tany. Nanomboka izany fotoana izany dia tsy niaty tamina firenena hafa intsony i Madagasikara na tao anaty na tany ivelan’ny sisintany, fa efa niditra an-tsehatra ihany izy io indraindra tamin’ny famerenana ny filaminana amin’ny fotoan-pikorontanana ara-politika. Tamin’ny fotoan’ny Repoblika Faharoa dia tsy maintsy miditra ho miaramila ny olom-pirenena na lahy na vavy. Naharitra nandriry ny 15 taona izany lalàna izany (1976-1991). Ny minnisitry ny atitany no mitanana ny tafika ary mijanona ho tsy manohana an’iza na iza foana izy io nandritry ny krizy politika, toa ny nanritra ny fifanandrinan’i Ratsiraka sy Ravalomanana taorian’ny fifidianana tamin’ny 2001. Tapaka tamin’ny 2009 izany fomba izany rehefa nivadika ho hanohana an’i Andry Rajoelina ben’ny tanànan’i Antananarivo ny ampahan’ny tafika an-tany.