Zon' olombelona: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-3:
Ny [[fotopampianarana]] momba ny zon' olombelona dia nanan-kery lehibe teo amin' ny lalàna iraisam-pirenena sy teo amin' ny andrim-panjakana maneran-tany sy isam-paritra. Ny hetsika ataon' ny fanjakana sy ny [[fikambanana tsy miankina amin' ny fanjakana]] no fototry ny pôlitika itondrana ny fiainam-bahoaka maneran-tany. Ny hevitra momba ny zon' olombelona dia milaza fa "raha azo lazaina ho manana fiteny ara-môraly iraisana ny lahateny ampahibemaso momba ny fiarahamonina maneran-tany amin' ny fotoan' ny [[fandriam-pahalemana]], dia momba ny zon' olombelona izany. Mbola miteraka fisalasalana sy adihevitra be ny votoaty sy ny natiora ary ny fanamarinana ny zon' olombelona mandraka androany raha heverina ny fitakiana mafy ataon' ny fotopampianarana momba ny zon' olombelona. Ny tena dikan' ny teny hoe ''[[zo]]'' dia mampiady hevitra sady lohahevitra anaovana adihevitra [[Filôzôfia|filôzôfika]] mitohy; misy anefa ny marimaritra iraisana fa ny zon' olombelona dia ahitana karazana zo maro samihafa toy ny zo amin' ny fitsarana ara-drariny, ny fiarovana amin' ny [[fanandevozana]], ny fandrarana ny fandripahana foko, ny fahalalaham-pitenenana na zo hahazo fanabeazana, misy ny tsy fitovian-kevitra momba ny hoe iza amin' ireo zo manokana ireo no tokony hampidirina ao anatin' ny rafitra ankapoben' ny zon' olombelona; ny mpandinika sasany dia mihevitra fa ny zon' olombelona dia tokony ho fepetra faran' izay kely indrindra hialana amin' ny fanararaotana ratsy indrindra, fa ny hafa kosa mihevitra azy io ho fenitra ambony kokoa.
 
Maro amin' ireo hevitra fototra namelona ny hetsika momba ny zon' olombelona no novolavolaina taorian' ny [[Ady Lehibe Faharoa]] sy ny zava-nitranga tamin' ny fandripahana ny [[Jiosy]], izay niafara tamin' ny fanekena ny [[Fanambarana Iraisam-pirenenaPirenena momba ny Zon' olombelonaOlombelona]] tao [[Paris]] nataon' ny Fivoriamben' ny [[Firenena Mikambana]] tamin' ny taona 1948. Tsy nitovy ny fiheveran' ny olona fahiny ny zon' olombelona maneran-tany. Ny tena mpialoha lalana ny lahateny momba ny zon' olombelona dia ny foto-kevitra momba ny [[zo voajanahary]] izay niseho ho anisan' ny fomban-drazana ara-boajanahary tamin' ny [[Andro Antenatenany]] izay nanjary nisongadina nandritra ny Fahazavana Eorôpeana, miaraka amin' ireo filôzôfa toa an' i [[John Locke]], i Francis Hutcheson ary i Jean-Jacques Burlamaqui ary izay nisongadina tamin' ny lahateny ara-pôlitikan' ny Revolisiona Amerikana sy ny Revolisiona Frantsay. Avy amin' io fototra io no nipoiran' ny adihevitra môderina momba ny zon' olombelona tamin' ny tapany farany amin' ny taonjato faha-20, mety ho toy ny fanehoan-kevitra manoloana ny fanandevozana, ny fampijaliana, ny fandripahana olona ary ny heloka an' adin-tafika, ho toy ny fahatanterahan' ny faharefoan' ny olombelona sy ho fepetra takiana amin' ny hisian' ny fiarahamonina anjakan' ny fahamarinana.