Zon' olombelona: Fahasamihafan'ny versiona
Contenu supprimé Contenu ajouté
Zo |
kAucun résumé des modifications |
||
Andalana faha-1:
Ny '''zon' olombelona''' dia fitsipika fototra na fenitra môraly ho an' ny fitsipika sasany mifehy ny fitondran-ten' ny [[olombelona]] izay arovan' ny [[Lalàna|lalàn]]' ny firenena na lalàna iraisam-pirenena.
Ny [[fotopampianarana]] momba ny zon' olombelona dia nanan-kery lehibe teo amin' ny lalàna iraisam-pirenena sy teo amin' ny andrim-panjakana maneran-tany sy isam-paritra. Ny hetsika ataon' ny fanjakana sy ny [[fikambanana tsy miankina amin' ny fanjakana]] no fototry ny pôlitika itondrana ny fiainam-bahoaka maneran-tany. Ny hevitra momba ny zon' olombelona dia milaza fa "raha azo lazaina ho manana fiteny ara-môraly iraisana ny lahateny ampahibemaso momba ny
Maro amin' ireo hevitra fototra namelona ny hetsika momba ny zon' olombelona no novolavolaina taorian' ny [[Ady Lehibe Faharoa]] sy ny zava-nitranga tamin' ny fandripahana ny [[Jiosy]], izay niafara tamin' ny fanekena ny [[Fanambarana Iraisam-pirenena momba ny Zon' olombelona]] tao [[Paris]] nataon' ny Fivoriamben' ny [[Firenena Mikambana]] tamin' ny taona 1948. Tsy nitovy ny fiheveran' ny olona fahiny ny zon' olombelona maneran-tany. Ny tena mpialoha lalana ny lahateny momba ny zon' olombelona dia ny foto-kevitra momba ny [[zo voajanahary]] izay niseho ho anisan' ny fomban-drazana ara-boajanahary tamin' ny [[Andro Antenatenany]] izay nanjary nisongadina nandritra ny Fahazavana Eorôpeana, miaraka amin' ireo filôzôfa toa an' i [[John Locke]], i Francis Hutcheson ary i Jean-Jacques Burlamaqui ary izay nisongadina tamin' ny lahateny ara-pôlitikan' ny Revolisiona Amerikana sy ny Revolisiona Frantsay. Avy amin' io fototra io no nipoiran' ny adihevitra môderina momba ny zon' olombelona tamin' ny tapany farany amin' ny taonjato faha-20, mety ho toy ny fanehoan-kevitra manoloana ny fanandevozana, ny fampijaliana, ny fandripahana olona ary ny heloka an' adin-tafika, ho toy ny fahatanterahan' ny faharefoan' ny olombelona sy ho fepetra takiana amin' ny hisian' ny fiarahamonina anjakan' ny fahamarinana.
|