Madagasikara: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-43:
Voasokajy ao anatin' ireo ny [[gidro]] sy ny [[rajako]] isankarazany, ny [[fosa]], ny fianakaviam-borona telo sy zava-maniry toy ny [[zaha]] na renala izay ahitana sokajy karazany valo izay tsy hita amin' ny toeran-kafa ny enina.
 
I Madagasikara dia nipoitra tamin' ny fiparitahan' ny kôntinenta [[Gondwana]] tamin' ny taona tamin' ny taona 35 tapitrisa tal. J.K.: voalohany i Madagasikara ary i [[Zana-kôntinenta Indiana|India]] dia nisaraka tamin' i [[Afrika]] ary 50 tapitrisa taona taoriana, nisaraka tamin' i India i Madagasikara ary nitokana teo hatramin' izao fotoana izao. Noho izany dia tsy hita na aiza na aiza afa-tsy any Madagasikara ny 80 %n' izay karazam-biby sy karazan-javatra misy any. Misy faritra ekôlôjika maromaro ao Madagasikara ary mihakely dia mihakely ireo faritra ekôlôjika noho ny asan' ny olombelona ([[tavy]], fandringanana ny ala, fihazana ny biby); ankehitriny dimy amby 90 %-n 'ny ala taloha no voaringana.
 
Araka ny [[arkeôlôjia]], ny olona voalohany indrindra tonga tao Madagasikara dia tonga teo amin' ny 300-500 taor. J.K. Ireo mponina ireo dia [[Aostrôneziana (vahoaka)|mponina aostrônezianina]] avy any [[Bôrneô]], ao [[Indônezia]]. Tonga 700 taona taty aoriana ireo mponina [[Banto (vahoaka)|Banto]] niampita ny [[lakandranon'i Môzambika|lakandranon' i Môzambika]], ireo [[Arabo (vahoaka)|Arabo]] avy any avaratra, ireo [[Karàna]] ary ireo [[Sinoa eto Madagasikara|Sinoa]]. Tamin' ny taonjato faha-17 dia nanomboka nanjanaka ampahan-tany tao Madagasikara ny Frantsay ([[Fort-Dauphin]], [[Diego-Suarez]]).