Fiteny araoakiana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fiteny any Amerika
 
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrika tamin'ity 8 Desambra 2021 à 08:09 ity

Ny fiteny araoakiana na fiteny maiporeana na maiporàna dia fianakaviam-piteny amerindiana any Amerika Atsimo sy any amin' ireo nosy Antilia, nefa koa tenenin' ny mponina any Amerika Afovoany izay vao avy nifindra avy ao amin' ireo toerana ireo. Anisan' ny fiteny araoakiana ao amin' ny zana-bondrona mahiporana an-dranomasina ny fiteny araoàka izay atao hoe fiteny lôkônô. Talohan' ny fidiran' ny Eorôpeana dia ny fiteny mahiporana an-dranomasina dia nanana tany midadasika niarahany tamin' ny fireny kalina, izay nantsoina hoe fiteny galiby tamin' izany fotoana izany.

Faritra misy ny mpiteny araoakiana avaratra (miloko manga tanora) sy ny fiteny araoakiana atsimo (miloko manga antitra).

Nisy sampana nifindra monina ao amin' ny firenena any Amerika Afovoany sy any amin' ireo Antilia Lehibe ao amin' ny faritra Karaîba sy Atlantika, ka isan' izany ny ao Bahamasy. Saika ny firenana rehetra ao Amerika Atsimo no fantatra fa onenan' ireo mpiteny araoakiana, afa-tsy i Ekoadôra sy i Sily ary i Orogoay. Ny fiteny maiporeana dia mety manam-pifandraisana amin' ny fianakaviam-piteny sasany la azo avondrona ao amin' ny vondrona lehibe iray.

Azo zaraina efatra toy izao ny fiteny ao amin' io fianakaviam-piteny io:

  1. ireo fiteny goahibàna (miisa 5; misy mpiteny any amin' ny 20 000);
  2. ireo fiteny araoàna (miisa 9);
  3. ireo fiteny maiporàna na maiporeana (miisa 59), izay mbola mitsinhara ho zana-bondrona telo: ireo fiteny maiporàna an-dranomasina (na mahiporàna avaratra an-dranomasina, izay misy fiteny miisa fito sy mpiteny miisa 831 700 ao amin' ireo nosy Antilia, ao Amerika Afovoany, ary ao amin' ireo faritra eo anelanelan' i Kôlômbia sy Amapá); sy ireo fiteny maiporàna avaratra (na mahiporàna avaratra an-tanibe, izay misy fiteny 15 sy mpiteny miisa 9 000 any Amazônia); sy ireo fiteny mahiporàna atsimo (izay misy fiteny miisa 28 sy mpiteny miisa 60 000 any Amerika Atsimo), ary ireo fiteny maiporàna tsy voasokajy (misy fiteny 9 any Amerika Atsimo).