Asan' ny Apôstôly: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''Asan' ny''' '''Apôstôly''' dia boky fahadimy ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]]. Ny Asan' ny Apôstôly dia mitantara ny fiainan' ny fiangonana kristiana tany am-piandohana. Tohin' ny ''[[Filazantsara araka an'i Lioka|Filazantsara araka an' i Lioka]]'' izy. Mitantara ny fanatanterahan' ireo [[Apôstôly roa ambin'ny folo|Apôstôly]] ny iraka nampanaovin' i [[Jesoa]] (na Jesoa) azy ireo hitory ny Vaovao mahafaly ao amin' ny [[Jiosy]] (na Jody) sy amin' ny firenena [[jentilisa]] na jentily (Asa 1.8) ho lasa zanak' Andriamanitra io boky io. Mitantara koa ny fifandirana nisy teo amin' ny Jiosy tsy kristiana sy ireo Kristiana ny amin' i Jesoa ny Asan' ny Apôstôly (Asa 4.1-31; 7.1-59). Ny [[Fanahy Masina|Fanahin' Andriamanitra]] no hitarika azy ireo hitory ny Vaovao mahafalin' i Jesoa amin' ny firenena rehetra. I [[Paoly (apostoly)|Paoly]], izay tsy isan' ireo [[Apostoly roa ambin'ny folo|Apôstôly roa ambin' ny folo]], no tantaraina ao amin' ny Asan' ny Apôstôly fa nafana fo indrindra tamin' ny fitoriana ny Vaovao mahafaly taorian' ny niovany fo avy amin' ny [[Jodaisma|fivavahana jiosy]] ho amin' ny fanarahana an' i Kristy. Misy toko 28 ity boky ity.
 
== Anaran' ny boky ==