Zana-Kôntinenta Indiana: Fahasamihafan'ny versiona

k
tsy misy ambangovangom-panovana
kAucun résumé des modifications
kAucun résumé des modifications
[[Sary:ASACR.png|vignette|279x279px|Firenena ao amin' ny zana-kôntinenta indiana]]
Ny '''Zana-kôntinenta Indiana''' na '''Saikanosy Indiana''' dia faritra ara-jeôgrafia ao [[Azia Atsimo]], mirefy 4 &nbsp;500 &nbsp;000 km<sup>2</sup> any ho any, izay ahitana an' i [[India]], i [[Pakistàna]], i [[Bangladesy]], i [[Nepaly]], i [[Botàna]], i [[Srilanka]] ary ireo nosy [[Maldiva]] sy ampahan-tanin' izy ireo sy ampahan-tany fehezin' i [[Sina]] ankehitriny. Misy mponina 1 &nbsp;800 tapitrisa any ho any ny ao amin' ny zana-kôntinenta indiana, ka ny 1 &nbsp;400 tapitrisa dia monina ao India: izy no faritra eto amin' ambonin' ny tany be mponina indrindra, izay onenan' ny iray ampahefatry ny mponina maneran-tany. I [[Birmania]] koa indraindray dia tafiditra ao amin' io zana-kôntinenta io nefa ara-kolontsaina sy ara-jeôgrafia dia miaraka amin' i [[Azia Atsimo-Atsinanana]] izy. Noho ny antony ara-tantara dia tafiditra ao koa indraindray i [[Afganistàna]].
 
Noho ny fipetrahany eo ambony sosom-bato mitokana sy noho ny fananan' izy ireo singa ara-kolontsaina iombonana no nahatonga ireo firenena ireo hakambana ao amin' io faritra io. Ny ampahany atsimo amin' ity faritra ity dia [[saikanosy]] lehibe, fa ny avaratra kosa dia misaraka amin' i [[Azia Afovoany]] amin' ny alalan' ny tandavan-tendrombohitra Himalaia izay mamorona sakana ara-kolontsaina sy ara-jeôgrafia eo anelanelany sy ny faritra hafa ao [[Azia]].
28 664

modifications