Ginea Vaovao: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
 
Andalana faha-1:
[[Sary:LocationNewGuinea.svg|vignette|363x363px]]
I '''Ginea Vaovao''' dia nosy ao amin' ny vondro-nosy [[Melanezia]], ao [[Ôseania]] izay manakaiky ny [[Ranomasimbe Pasifika]] ao andrefana, manana velarana mirefy 775&nbsp;210&nbsp;<abbr>km<sup>2</sup></abbr>, ka laharana fahatelo amin' ny nosy be velarana indrindra eto an-tany, aorian' i [[Aostralia]] sy i [[Groenlandy]].
 
Nosy ao avaratr' i Aostralia i Ginea Vaovao, ao atsinanana-atsimo-atsinanan' ny tamba-nosy Môloka sy ao andrefan' i Britaina Vaovao, ao amin' ny faritry ny Ranomasimbe Pasifika atao hoe [[Melanezia]]. Ao atsimony ny andilan-dranomasina Tora sy ny Ranomasin' i Arafora, izay manasaraka azy amin' i Aostralia, ao atsinanana ny Ranomasin' ny Sôlômôna sy ny Ranomasin' i Bismarck, ary ao avaratra ny Ranomasimbe Pasifika. Mirefy 2&nbsp;400&nbsp;km any ho any ny halavany ary 700&nbsp;km ny sakany. Misy [[tandavan-tendrombohitra]] mitsinjara roa saika mitovy ny atsinanana sy ny andrefana. Ny tany avo indrindra dia mirefy 4&nbsp;884&nbsp;m ao amin' ny tendro Puncak Jaya, ao amin' ny tendrombohitra Maoke, ao amin' ny tapany andrefan' io nosy io.