Arabo (vahoaka): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-3:
== Ny fiteny arabo ==
Ny [[fiteny arabo]] dia [[fiteny semitika]] tenenina ao avaratr' i [[Afrika]] sy any [[Azia Andrefana]]. Raha atambatra ny olona miteny arabo eo amin' ny firenena rehetra izay lazaina fa miteny arabo ôfisialy, dia eo amin' ny 240 000 000 eo ho eo. Ny boky masin' ny [[silamo]], ny [[Kor'any]], izay nosoratana tamin' ny teny arabo, no manome lanja io fiteny io eo anivon' ny vahoaka mozilmana eran-tany. Samihafa ny fiteny arabo an-tsoratra sy ny fiteny arabo tenenina.
 
== Ny fivavahan' ny Arabo talohan' ny silamo ==
Ny [[fivavahana tao Arabia talohan' ny fivavahana silamo]] dia nahitana [[fivavahana]] amin' andriamanitra maro, fisafidianana andriamanitra iray amin' ny maro hivavahana, ny [[fivavahana kristiana]], ny [[jodaisma]] ary [[fivavahana iraniana]] maro. Nisy koa ireo fivavahana hafa izay tsy dia be mpanaraka.
 
=== Ny pôliteisma sy ny henôteisma arabo ===
I Hubal no andriamanitra lehibe indrindra sady rain' ny andriamani-bavy telo (Al-Lāt, Al-‘Uzzá, Manāt). Ny sarivongan' i Hubal dia nitsangana tao akaikin' ny Kaaba ao amin' ny tanànan' i [[Maka (any Arabia Saodita)|Maka]]. I Al-Lāt dia nivavahan' ny Arabo tao Maka, izay nanaovany sarivongana vato tao Taif. I Al-‘Uzzá dia andriamani-bavin' ny fahavokarana, nivavahana tao Maka koa, izay ninoana fa miaro sady miantoka ny fandresena amin' ny ady ifanaovany amin' ny firenena na foko hafa fahavalony. I Manāt no andriamanitry ny vintana, izay nanana sarivongana tao akaikin' i al-Mushallal any Qudayd, eo anelanelan' i Medina sy i Maka.
 
=== Fivavahana abrahamika ===
Ny [[Nestorianisma|kristianosma firehana nestoriana]] dia hita tao avaratra-atsinanana sy tao amin' ny [[Helodrano Persika]]. Ny nestorianisma dia fampiam-pinona izay milaza fa misy [[Persôna (teôlôjia)|persôna]] sy [[Natiora (teôlôjia)|natiora]] roa miara-misy ao amin' i [[Jesoa Kristy]] ka ny voalohany persôna sy natiora araka an' Andriamanitra fa ny faharoa dia persona sy natioran' olombelona.
 
Ny [[Saikanosin'i Arabia]] dia nandray koa ireo [[Jiosy]] mpifindra monina hatramin' ny [[Empira Rômana|Vanimpotoana Rômana]], izay nampian' ireo mponina tompon-tany niova ho amin' ny [[jodaisma]].
 
=== Ny fivavahana iraniana ===
Ny zôrôastrisma dia hita tao amin' ny tapany atsinanana sy atsimon' i Arabia. Toraka izany koa ny mazdakisma sy ny manikeisma. Ny [[zôrôastrisma]] dia fivavahana [[Monoteisma|monoteista]] manao an'i [[Ahora Mazda]] no anaran’ ny andriamaniny sady manindry mafy ny fifanoheran’ ny herin’ ny tsara amin’ ny herin’ny ratsy ([[Doalisma (finoana)|doalisma]]). Ny [[mazdakisma]] dia fivavahana [[Gnôstisisma|gnôstika]] mananandratra ny fananana iombonana; inoany ny fisian' ny foto-javatra roa mifanohitra: ny [[Tsara]] (Fahazavana) sy ny [[Ratsy]] (Haizina). Ny [[manikeisma]] dia fivavahana fifangaroan' ny zôrôastrisma sy ny [[bodisma]] ary ny [[kristianisma]]; izay mampianatra ny fizaràny izao rehetra izao ho roa (doalisma), ahitana ny fanjakan' ny Tsara, izay anjakan' Andriamanitra, sy ny fanjakan' ny Ratsy, izay anjakan' i [[Satana]].
 
== Jereo koa ==