Fanjakan' i Israely (mitambatra): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Kingdom of Israel 1020 map.svg|vignette|512x512px|Ny Fanjakan'i Israely mitambatra araka ny Baiboly hebreo mitantara ny vanimpotoana nanjakan'i Saoly sy i Davida (soratana mena ireo firenena resy)]]
Ny [[Fanjakan'i Israely (mitambatra)|'''Fanjakan' i''' '''Israely''' ('''mitambatra''')]] na [[Fanjakan'i Israely (mitambatra)|'''Fanjakana''' '''mitambatr' i''' '''Israely''' '''sy''' '''i''' '''Jodà''']] dia fanjaka-mpanjaka naorin' ny Israelita tamin' ny taona 1050 tal. J.K. any ho any. Nandimby ny vanim-potoan' ny [[mpitsaran'i Israely|mpitsaran' i Israely]] io fanjakana io ka i [[Saoly]] (na [[Saola]]) no mpanjaka voalohany nanapaka azy.
 
Araka ny [[Boky voalohan'i Samoela|Boky voaolohanvoalohan' i Samoela]] ao amin' ny [[Baiboly]] dia vokatry ny fanirian' ny [[Zanak'i Israely|Zanak' i Israely]] hanana mpanjaka sahala amin' ireo firenena hafa izay neken' Andriamanitra tamin' ny alalan' ny mpaminany [[Samoela]] no nampisy io fanjakana io (1Sam. 8).
 
Nivaky roa izany fanjakana izany taty aoriana ka ny avaratra dia ny [[Fanjakan'i Samaria|Fanjakan' i Samaria]] fa ny atsimo kosa dia ny [[Fanjakan'i Jodà|Fanjakan' i Jodà]]. Telo fotsiny ny mpanjaka nitondra an' io fanjakana io talohan' ny hizaràny roa, dia i [[Saoly]] sy i [[Davida (Baiboly)|Davida]] ary i [[SolomonaSôlômôna]] (na Sakômôna).
 
=== Ny fanjakan' i Saoly ===
[[Sary:Ernst Josephson. - David och Saul.JPG|vignette|''I Davida sy i Saoly'' - nataon'i Ernst Josephson - 1878]]
Araka ny [[Baiboly]] dia isan' ny [[fokon'i Benjamina|fokon' i Benjamina]] i [[Saoly]] (na [[Saola]]). Tamin' ny taona 1020 tal. J.K. hatramin' ny taona 1010 tal. J.K. no nitondrany ny Fanjakan' i Israely mitambatra ka izy no voatendrin' Adriamanitra ho mpanjakan' ny firenen' i Israely voalohany araka ny teny nampitondrainy ny mpaminany [[Samoela]]. Natambatr' i Saoly ny [[Fokon'i Israely|foko roa ambin' ny folon' i Israely]]. Ny fanafihana ara-miaramila no tena nimasoany ka ny [[Filistina]] no fahavalo malaza tamin' ireo nifanandrina taminy. Nahazo baiko avy amin' Andriamanitra ny hanapotika ny firenen' i [[Amaleka]] izy tamin' ny teny nentin' i Samoela nefa nitsimbina ny mpanjaka [[amalekita]] izy ka izany no nahatonga azy haongana tsy ho eo amin' ny fitondrana, araka ny didin' Andriamanitra. Nandimby azy i [[Davida (mpanjaka)|Davida]] tamin' ny nahafatesany.
 
=== Ny fanjakàn' i Davida ===
[[Sary:The Ark Brought to Jerusalem.jpg|vignette|224x224px|Nentina tao Jerosalema ny Fiaran'ny Fanekena]]
Nanomboka tamin' ny taona 1010 tal. J.K. hatramin' ny taona 970 tal. J.K. no nanjakan' i [[Davida (Baiboly)|Davida]] taorian' ny nahafatesan' i Saoly. Araka ny Baiboly dia vyavy amin' ny [[fokon'i Jodà|fokon' i Jodà]] izy. Nanitatra ny fanjakany izy, nandritra ny fotoana nanjakany, tamin' ny alalan' ny ady nifanaovany tamin' ireo firenena mpifanolo-bodirindrina amin' ny faritry ny fanjakany, sady nampandry tany, ka isan' ireo tanàna azony tamin' izany i [[Jerosalema]] izay nataony ho renivohitry ny fanjakàny. Nafindrany tao ny [[Fiaran'ny fanekena|Fiaran' ny fanekena]] nefa tsy nahazo alalana tamin' Andriamanitra hanorina ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] izy na dia ny hanolotra izany ho an' Andriamanitra aza no fikasany.
 
=== Ny fanjakàn' i SolomonaSôlômona ===
Nanomboka tamin' ny taona 970 tal. J.K. ka hatraminnifarana tamin' ny taona 931 tal. J.K. no nanjakan' i [[SolomonaSôlômôna]] (na [[Salômôna]]). Niady fitondrana taminy ny zanak' i Davida hafa talohan' ny tena handraisany ny fitondrana izy, sady izy rahateo no notendren' i Davida handimby azy.
[[Sary:Jerusalem temple3.jpg|vignette|259x259px|Ny Tempolin'i Solomona]]
Nahatratra ny famirapiratana fara tampony ny Fanjakan' i Israely tamin' ny fanapahan' i SolomonaSôlômôna tamin' ny alalan' ny fanangonana harena sy ny fifanakalozana ara-barotra nifanaovany tamin' ny manodidina azy. I SolomonaSôlômôna no nanamboatra ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempolin' i Jerosalema]] voalohany, izay fantatra amin' ny anarana hoe [[Tempolin' i SolomonaSôlômôna]]. Naharitra fito taona ny fanamboarana izany tempoly izany, ka i Hirama mpajakan' i [[Tiro]] (na Tira) no nanampy azy tamin' ny fanomezana ny mpanamboatra trano sy ny hazo hanamboarana izany.
 
Tamin' ny faramparan' ny fotoana nitondrany dia nitaraina noho ny fitakiana hetra be loatra ny vahoaka. I Jeroboama no nandimby azy tamin' ny nahafatesany nefa nivaky roa ny fanjakana tamin' ny nanjakan' ity mpanjaka ity noho ny fihoa-pampan' ny hetra notakina sy ny habibiana hafa koa. Teraka noho izany ny [[Fanjakan' i Jodà]] sy ny [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan' i Israely]] (na [[Fanjakan'i Samaria|Fanjakan' i Samaria]]).
 
== Jereo koa: ==
 
* [[Fanjakan'i Jodà|Fanjakan' i Jodà]]
 
* [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan' i Israely (Samaria)]]
 
* [[Edoma|Edôma]]
* [[AmonaAmôna (fanjakana)]]
* [[Moaba (fanjakana)]]
* [[Arama (faritra)]]