Bney Menase: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Rescuing 1 sources and tagging 0 as dead.) #IABot (v2.0.8
Andalana faha-1:
[[Sary:Bandera dels Kukis de Zalengam.png|vignette|Sainan' ny Bney Menase]]
Ny '''Bney Menase''' dia vahoaka aziatika any amin' ireo fanjakana any amin' ny tapany avaratra atsinanan'i [[India]], any amin' ny sisin-tany birmana, dia i [[Manipur]] sy i [[Mizoram]], izay fantatra amin' izao fa manam-piaviana jiosy. Hatramin' ny taonjato faha-20 ka hatramin' izao dia ny vondrona atao hoe Chin sy Kuki ary Mizo ao amin' io faritra io no milaza ny tenany fa taranaky ny iray amin' ireo [[Foko folo very|foko folo verin'i Israely]] ka nadray ny [[jodaisma]] ho fivavahany<ref><small>Weil, Shalva. "Double Conversion among the 'Children of Menasseh'" in Georg Pfeffer and Deepak K. Behera (eds) ''Contemporary Society Tribal Studies'', New Delhi: Concept, pp. 84–102. 1996 Weil, Shalva. "Lost Israelites from North-East India: Re-Traditionalisation and Conversion among the Shinlung from the Indo-Burmese Borderlands", ''The Anthropologist,'' 2004''.'' 6(3): 219–233.</small></ref>. Tamin' ny faran' ny taonjato faha-20 ny raby Eliyahu Avichail, ao amin' ny vondrona Amishav, dia nanome anarana ireo olona ireo hoe ''Bnei Menashe'' ("zanak' i Manase"), araka ny fitantaran' izy ireo ny maha taranak' i Manase azy<ref><small>Fishbane, Matthew (19 Febroary 2015). [https://tabletmag.atavist.com/becoming-moses "Becoming Moses"] {{Wayback|url=https://tabletmag.atavist.com/becoming-moses |date=20160603071557 }}. Tablet Magazine. Notsidihia tamin'ny 2 May 2016.</small></ref>. Ny ankamaroan' ny mponina ao amin' ireo fanjakana roa resahina eo ambony ireo, izay miisa maherin' ny 3 700 000 sady manana ny fomba amam-panao azy ireo tsirairay, dia tsy manao ny tenan' izy ireo ho taranaka israelita.
 
Ny ankamaroan' ny Bney Menase dia nanaraka ny [[Fivavahana kristiana|fivavanana kristiana]]. Nefa tamin' ny taona 1951 dia nilaza ny iray amin' ny mpitarika azy fa nahita tamin' ny nofy ny maha tanindrazan' ny vahoakany an' i Israely<ref><small>"[https://www.npr.org/templates/story/story.php?storyId=127241410 India's 'Lost' Jews Seek A Place In Israel"], National Public Radio. inc</small></ref>. Efa hatramin' ny taona 1950 izy ireo no nanambara fa taranaky ny [[fokon'i Manase|fokon' i Manase]] izay nitady fialofana tany amin' ny faritra faran' izay lavitra any [[Azia]]. Hatramin' ny faran' ny taonjato faha-20 no mankaty dia misy ny nandray ilay hevitra manao azy ireo ho Jiosy, nefa mitohy ny finoan' izy ireo ny maha [[Mesia]] an' i [[Jesosy|Jesoa]] ([[Jodaisma mesianika]]). Nanomboka tamin' ny taona 1970 ny Bney Menase dia nianatra sy niaina ny jodaisma noho izy ireo maniry ny hiverina amin' izay inoany fa fivavahan-drazany. Araka ny ''Shavei Israel'' (fikambanana israeliana mitady ireo foko folo very) dia miisa 10 000 eo ho eo ny Bney Israely.