Wikipedia : Fahasamihafan'ny versiona roa

Rescuing 2 sources and tagging 0 as dead.) #IABot (v2.0.8
(Rescuing 1 sources and tagging 0 as dead.) #IABot (v2.0.8)
(Rescuing 2 sources and tagging 0 as dead.) #IABot (v2.0.8)
{{quotation|No, this is not an indecent proposal. It's an idea to add a little feature to Nupedia. Jimmy Wales thinks that many people might find the idea objectionable, but I think not. (…) As to Nupedia's use of a wiki, this is the ULTIMATE "open" and simple format for developing content. We have occasionally bandied about ideas for simpler, more open projects to either replace or supplement Nupedia. It seems to me wikis can be implemented practically instantly, need very little maintenance, and in general are very low-risk. They're also a potentially great source for content. So there's little downside, as far as I can determine.<ref>{{cite news|author=[[Larry Sanger]]|title=Let's make a wiki|date=[[January 10]], [[2001]]|publisher=Internet Archive|url=http://web.archive.org/web/20030414014355/http://www.nupedia.com/pipermail/nupedia-l/2001-January/000676.html}}</ref>}})
 
Nampilaza tamin'ny mailaka fampitana i Sanger momba ny fisokafan'ny Wikipedia tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny 15 janoary [[2001]] tao amin'ny http://www.wikipedia.com, ary mbola ny teny anglisy no teny tokana nampiasainy.<ref>{{cite news|author=[[Larry Sanger]]|title=Wikipedia is up!|date=[[January 17]], [[2001]]|publisher=Internet Archive|url=http://web.archive.org/web/20010506042824/www.nupedia.com/pipermail/nupedia-l/2001-January/000684.html}}</ref> Hatramin'ny 10 janoary izy dia mbola fanampin'ny Nupedia.com ahafahan'ny daholobe manoratra lahatsoratra izay hakambana ao anatin'ny Nupedia rehefa voatsara. Tsy nankatoavin'ny mpitantana sy mpanolo-tsaina tao amin'ny Nupedia anefa ny fomba fivoatrany, koa nijoro ho tetikasa mahaleotena tsy miankina amin'ny Nupedia intsony izy. <ref name=SangerMemoir>{{cite news|author=[[Larry Sanger]]|title=The Early History of Nupedia and Wikipedia: A Memoir|date=[[April 18]], [[2005]]|publisher=[[Slashdot]]|url=http://features.slashdot.org/features/05/04/18/164213.shtml}}</ref> Nofaritana nandritra ny volana vitsivitsy voalohany ny fitsipika momba ny fijery tsy mitanila (anglisy: ''neutral'' ''point''-''of''-''view''), na dia mitovy betsaka tamin'ny fitsipika "nonbias" an'ny Nupedia aza izany. Nisy koa anefa fitsipika hafa vitsivitsy napetraka. Vetivety foana dia nahazo laka tamin'ireo mpandray anjara tao amin'ny Nupedia ny Wikipedia, nalaza tamin'i Slashdot ihany koa sy teo amin'ireo fikarohana sehatra. Nitombo ny isan'ny lahatsoratra, nanodidina ny 20.000 ny isany ary 18 ireo tenim-pirenena nampiasana azy tamin'ny taona voalohany nisiany. 26 izany isan'ny tenim-pirenena izany tamin'ny faran'ny taona 2002, 46 tamin'ny faran'ny taona 2003 ary 161 tamin'ny faran'ny taona 2004.<ref>"[http://en.wikipedia.org/wiki/Wikipedia: Multilingual_statistics Antontan'isa Wikipedia amin'ny tenim-pirenena maro] {{Wayback|url=http://en.wikipedia.org/wiki/Wikipedia: |date=20050812023729 }}", Wikipedia, [[30 martsa]] [[2005]]</ref> Niara-nisy ny Nupedia sy ny Wikipedia mandra-pikaton'ny Nupedia tanteraka tamin'ny taona 2003, ka nametrahana ny lahatsoratra rehetra tao anatiny ho ao amin'ny Wikipedia.
 
[[Sary:WikipediaHomePage30March2001.png|thumb|300px|ankavanana|Wikipedia anglisy tamin'ny [[30 martsa]] [[2001]], roa volana sy tapany taorian'ny niorenany.]]
 
Raha araka an'i Wales sy Sanger, dia [[w:en:Portland Pattern Repository|en:Portland Pattern Repository]] na WikiWikiWeb an'i [[w:en:Ward Cunningham|en:Ward Cunningham]] no fototry ny fampiasana wiki tamin'ny Wikipedia. Nomarihin'i Wales fa reny tamin'i Jeremy Rosenfeld, mpiasa iray tao amin'ny Bomis ny ambangovangony momba azy io tamin'ny volana desambra 2000,<ref>[[Jimmy Wales]], "[http://mail.wikipedia.org/pipermail/wikipedia-l/2005-April/039093.html Re: Sanger's memoirs] {{Wayback|url=http://mail.wikipedia.org/pipermail/wikipedia-l/2005-April/039093.html |date=20051126030109 }}", [[20 aprily]] [[2005]],<wikipedia-l@wikipedia.org></ref> nefa taorian'ny nandrenesan'i Sanger ny fisian'io wiki io tamin'i Ben Kovitz<ref name=SangerMemoir /> ny volana janoary 2001 vao natolony an'i Wales ny hevitra hampiasana wiki amin'ny Nupediata, sy nanombohan'ny tantaran'ny Wikipedia. Niara-nisy tamin'ny Nupedia hatramin'ny fiantombohany koa ny tetikasa iray GNUpedia izay malalaka ny votoatiny nefa tsy nampiasa wiki. Taty aoriana dia nitsahatra ny fivoarany, ary i [[Richard Stallman]], fantatra indrindra eo amin'ny sehatry ny rindrankajy sady mpamorona ny GNUpedia no nitondra ny anjara-birikiny tamin'ny Wikipedia.<ref>{{cite news|author=[[Richard Stallman]]|title=The Free Encyclopedia Project|date=1999|publisher=[[Free Software Foundation]]|url=http://www.gnu.org/encyclopedia/encyclopedia.html}}</ref>
 
Naneho ny ahiahiny ny amin'ny dokambarotra sy ny fahabangan'ny fanaraha-maso amin'ny Wikipedia anglisy ny mpikambana maro tao amin'ny Wikipedia espaniôla, ary namorona ny tetikasa ''Enciclopedia Libre'' izay niainga avy amin'ny Wikipedia ny volana febroary 2002. Tamin'io taona io ihany, taty aoriana kely, dia nanao fanambarana i Wales fa tsy haneho dokambarotra ny Wikipedia ary hafindra ao amin'ny wikipedia.org ny sehatra. Hosinganina koa ny tetikasa Wikinfo, izay niainga avy tamin'ny Wikipedia ihany nefa niala tamin'ilay fitsipika "fijery tsy mitanila" (''neutral point-of-view'') mba hahafahany mametraka lahatsoratra hafa misy fijery "'''sympathetic point-of-view'''".
12 022

modifications