Fitsanganan-ko velona: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-7:
 
=== Araka ny fivavahan' ny Grika taloha ===
A amin' ny fivavahana grika taloha, nisy lehilahy sy vehivavy vitsivitsy izay nanjary tsy mety maty ara-batana rehefa nitsangana tamin' ny maty. I Asklepiôsy dia novonoin' i [[Zeosy]], mba hatsangana amin' ny maty sy hovana ho andriamanitra lehibe. i Akileosy, rehefa avy nisy namono, dia nesorin' i Tetisy, andriamanibavy reniny, avy tao amin' ny afom-pandevenana azy, ka nentina tany Leokê na tao amin' ireo Saha Elisea na tao amin' ireo Nosin' ny Olontsambatra mba ho lasa tsy mety maty. I Memnôna, izay nobonoin' i Akileosy, dia toa nitovy amin' izany koa. I Alkmena, i Kastôro, i Heraklesy ary i Melikertesy dia isan' ireo olona izay indraindray heverina ho nitsangan-ko velona ho lasa tsy mety maty ara-batana. Araka an' ny ''Tantara'' nosoratan' i [[Herodotosy|HerôdôtesyHerôdôtôsy]], tamin' ny taonjato faha-7 tal. J.K. ny olonkendry Aristeasy avy any Prôkônesôsy dia hita maty, rehefa avy nanjavon tsy hita ny avy tao amin' ny efitrano nihidy tamin' ny fanalahidy. Taty aoriana dia hita izy, tsy vitan' ny hoe nitsangan-ko velona fotsiny, fa nandray ny tsy feteza-maty.
 
Maro amin' ireo izay nandray anjara tamin' ny ady tany Trôia sy tany Tebay, toa an' i Menelaôsy sy i Kleômedesy avy any Astopalea, dia lazaina koa fa niova ho tsy mety maty ara-batana, nefa tsy nandalo fahafatesana mialoha.