Fitsanganan-ko velona: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-43:
 
=== Araka ny finoana silamo ===
Amin' ny silamo, ny fitsanganan-ko velona dia mifamatotra amin' ny [[fitsarana farany]]. Ny mpaminany [[Mohamady]] no olona voalohany hitsangan-ko velona. Na dia izany anefa, eto an-tany, araka ny [[Kor'any]], i [[Mosesy]] (na [[Mosesy araka ny silamo|Mosa]]) araka ny soràta 2 sy i [[Jesoa]] (na [[Jesoa araka ny silamo|Isa]]) araka ny soràta 2, dia nanatanteraka fananganana amin' ny maty tamin' ny alalan' ny fahagagana araka ny sitrapon' i [[Allah]] (Soràta 5.110; 2.73). Ireo fananganana amin' ny maty ireo dia tsy tanteraka raha tsy araka ny sitrapon' i Allah. Andriamanitra irery manko no manana izany fahefana izany. Maro ireo andakana ao amin' ny Kor'any milaza izany (Soràta 2.56; 2.244; 2.259).
 
== Ny fitsangana-ko velona araka ireo fivavahana any Azia Atsinanana ==
Andalana faha-51:
 
Ny faharoa dia ny fahafatesan' i Puhua ([[Fiteny japôney|japôney]]: ''Jinshu Fuke''), mpampianatra ''chan'' sinoa izay tantaraina ao amin' ny Firaketan' i Linji (japôney : ''Rinzai Gigen''). Fantatra amin' ny fananany fihetsika sy fomba fampianarana hafahafa tsy mahazatra i Puhua, tsy mahagaga raha baombona amin' ny fisehoan-javatra izay nandrava ny fandrarana mahazatra momba ny fananana fanefana toy izany.
 
=== Araka ny hindoisma ===
Ao amin' ny [[hindoisma]] dia misy lovantsofina sy fitantarana ary ampahan-dahatsoratra masina izay miresaka ny amin' ny fitsanganana amin' ny maty. Ny lovantsofina lehibe dia ny an' i Savitri (vehivavy) izay nanavotra ny ain' ny vadiny Yamraj. Ao amin' i Ramayana (tononkalo indiana amin' ny [[Fiteny sanskrity|teny sanskrita]]), taorian' ny namonoan' i Rama an' i Ravana nandrira ny ady lehibe teo amin' ny Tsara sy ny Ratsy, nangataka tamin' i Indra mpanjakan' ireo andriamanitra i Rama, mba hamerina indray ny ain' ireo rajako maty nandritra izany ady izany. Anisan' ny nitsangan-ko velona i Mahavatar Babaji esy i Lahiri Mahasaya.
 
== Jereo koa ==