Fitsanganan-ko velona: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''fitsanganan'''-'''ko''' '''velona''' na '''fitsangana''' '''amin' ny''' '''maty''' dia ny fiverenan' ny efa maty ho velona indray, indrindra ho amin' ny [[fiainana mandrakizay]]. Mino ny fitsanganan-ko velona ny [[Kristianisma|Kristiana]] sy ny [[Silamo]]. Misy ampahany amin' ny mpanaraka ny [[fivavahana jiosy]] izay tsy mino ny fitsanganana amin' ny maty, isan' izany ny [[Sadoseo]] (na Sadoseanina). Efa nahitana taratra ny finoana ny fitsanganan-ko velona ny [[Zôrôastrisma|fivavahana zôrôastriana]] sy ny fivavahana tany [[Ejipta tamin'ny Andro Taloha|Egipta taloha]].
 
== Fitsanganan-ko velona araka ireo fivavahana nisy taloha ==
 
=== Araka ireo fivavahana tany Afovoany Atsinanana ===
Andalana faha-43:
 
=== Araka ny finoana silamo ===
Amin' ny silamo, ny fitsanganan-ko velona dia mifamatotra amin' ny [[fitsarana farany]]. Ny mpaminany [[Mohamady]] no olona voalohany hitsangan-ko velona. Na dia izany anefa, eto an-tany, araka ny [[Kor'any]], i Mosesy (na [[Mosesy araka ny silamo|Mosa]]) araka ny soràta 2 sy i Jesoa (na [[Jesoa araka ny silamo|Isa]]) araka ny soràta 2, dia nanatanteraka fananganana amin' ny maty tamin' ny alalan' ny fahagagana araka ny sitrapon' i [[Allah]] (Soràta 5.110; 2.73). Ireo fananganana amin' ny maty ireo dia tsy tanteraka raha tsy araka ny sitrapon' i Allah. Andriamanitra irery manko no manana izany fahefana izany. Maro ireo andakana ao amin' ny Kor'any milaza izany (Soràta 2.56; 2.244; 2.259).
 
== Ny fitsangana-ko velona araka ireo fivavahana any Azia Atsinanana ==
 
=== Araka ny bodisma ===
Misy tantara ao amin' ny [[bodisma]] izay nanehoana ny fahefan' ny fitsanganana amin' ny maty ao amin' ny lovam-pinoana ''chan'' na ''zen.'' Iray amin' ireo tantara ireo ny amin' i [[Bodhidharma]], ilay mpampianatra indiana izay nitondra ny sekolin' i Ekayana any India izay lasa bodisma ''chan'' any [[Sina]] taty aoriana.
 
Ny faharoa dia ny fahafatesan' i Puhua ([[Fiteny japôney|japôney]]: ''Jinshu Fuke''), mpampianatra ''chan'' sinoa izay tantaraina ao amin' ny Firaketan' i Linji (japôney : ''Rinzai Gigen''). Fantatra amin' ny fananany fihetsika sy fomba fampianarana hafahafa tsy mahazatra i Puhua, tsy mahagaga raha baombona amin' ny fisehoan-javatra izay nandrava ny fandrarana mahazatra momba ny fananana fanefana toy izany.
 
== Jereo koa ==