Fitsanganan-ko velona: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
Ny '''fitsanganan'''-'''ko''' '''velona''' na '''fitsangana''' '''amin' ny''' '''maty''' dia ny fiverenan' ny efa maty ho velona indray, indrindra ho amin' ny [[fiainana mandrakizay]]. Mino ny fitsanganan-ko velona ny [[Kristianisma|Kristiana]] sy ny [[Silamo]]. Misy ampahany amin' ny mpanaraka ny [[fivavahana jiosy]] izay tsy mino ny fitsanganana amin' ny maty, isan' izany ny [[Sadoseo]] (na Sadoseanina). Efa nahitana taratra ny finoana ny fitsanganan-ko velona ny [[Zôrôastrisma|fivavahana zôrôastriana]] sy ny fivavahana tany [[Ejipta tamin'ny Andro Taloha|Egipta taloha]].
 
== Fitsanganan-ko velona araka ireo fivavahana nisy taloha ==
 
=== Fitsanganan-ko velona araka ireo fivavahana tany Afovoany Atsinanana ===
Ny fiheverana ny amin' ny fitsanganana amin' ny maty dia hita ao amin' ny soratry ny fivavahana taloha tany Afovoany Atsinanana. Ny soratra vitsy tao amin' ny fivavahan' ny [[Ejipta tamin'ny Andro Taloha|Egiptiana]] sy ny [[Kanaana (faritra)|Kanaanita]] dia miresaka an-kolaka ny amin' ny fahafatesana sy ny fitsanganan' ny andriamanitra toa an' i [[Ôsirisy]] sy i [[Baala]]. I Sir James Frazer, ao amin' ny bokiny ''The Golden Bough'' dia mitatitra ny amin' ireo andriamanitra maty avy eo teraka indray ireo, nefa maro amin' ireo ohatra ireo, araka ny mpandinika maro, no tsy manova endrika ny soratra loharano. I Tryggve Mettinger dia manohana, ao amin' ny bokiny vao nivoaka tsy ela, fa ny fotsanganana sy ny fiverenana amin' ny fahabelomana dia zava-dehibe amin' ny andriamanitra Baala (''Baal''), Melkarta (''Melqart''), Adônisy (''Adonis''), Esmona (''Eshmun''), Ôsirisy (''Osiris'') ary Domozy (''Dumuzi'').
 
== Fitsanganan-ko velona araka ireo fivavahana abrahamika ==