Alarobia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
 
Ny '''Alarobia''' dia [[andro]] fahatelo ao amin' ny [[herinandro]] raha ny [[Alatsinainy]] no andro voalohany, fa andro fahefatra kosa raha ny [[Alahady]] no andro voalohany. Amin' ny Malagasy mandala ny fomban-drazana dia andro fahafito izy raha manomboka amin' ny [[Alakamisy]] ny herinandro.
 
== Fiforonan-teny ==
Ny [[Fiteny malagasy|teny malagasy]] hoe ''Alarobia'' na ''Larobia'' dia avy amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe الأربعاء / ''al-’arbi‘ā’'' izay midika hoe "andro fahefatra".
 
== Ny andro Alarobia eo amin' ny kolontsaina malagasy ==
 
=== Laharan' ny andro Alarobia ===
Andro fahafito ao amin' ny herinandro ny Alarobia.
 
=== Finoana momba ny andro Alarobia ===
Andro ratsy ny Alarobia satria tsy miverina. Andro narokana amin' ny fanaovana famoizana, fandevenana, fanaovana afana, famadihan-drazana, fitomaniana ny maty, famangia-manjò, ary fialan-tsaona. Tsy azo atao ny miainga handeha lavitra na manao zavatra tiana hanan-danja lehibe amin' ny andro Alarobia fa tsy ho tafody an-tanindrazana fa ho faty any, nefa ny fanaovana izany amin' ny andro Alarobia mifoha Alakamisy (harivan' ny Alarobia) dia mety tsara. Alarobia tsy miverina" no nilazan' ny Ntaolo malagasy ny Alarobia. Tsy mety ny manao hasoavan-jaza amin' ny andro Alarobia. Andro tsara hakana vohitra na hanaovaa kabary ny Alarobia. Ny lahimbahona no faditry ny Alarobia.
 
== Jereo koa: ==