Sakramenta ao amin' ny fiangonana katôlika: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-8:
 
=== Ny batemy ===
Ny '''[[batemy''']] dia fomba andraisana ny olona ho mpikambana ao amin' ny Eglizy katôlika, izay tanterahina amin' ny fampiasana rano natao handena ny loha. Atao amin' ny anaran' ny [[Andriamanitra Ray|Ray]] sy ny [[Andriamanitra Zanaka|Zanaka]] ary ny [[Fanahy Masina]] ny batemy.
 
=== Ny eokaristia ===
Ny '''[[eokaristia''']] dia fomba anamasinan' ny pretra ny mofo sy ny divay ary isotroana sy ihinanana izany araka ny nandidian'i [[Jesosy|Jesoa Kristy]] tamin' ny niarahany misakafo farany tamin' ny [[Apostoly roa ambin'ny folo|mpianany]].
 
=== Ny konfirmasiona ===
Heverina ho manome hery hijoroana vavolombelona sy mahatonga ny Kristiana ho tonga olon-dehibe ny [[konfirmasiona]]. Hatramin'ny [[Andro Antenantenany]] dia miovaova ny taon' ny olona atao konfirmasiona, ka eo anelanelan'ny 7 sy 15 taona izany. Hatramin' ny [[Konsily Vatikàna II]] dia tanterahina amin' ny fotoana maha vanto-jeza ny konfirmasiona. Amin' ny ankapobeny dia tanterahina amin' ny alalan' ny fametrahan-tanana (izay midika fampitana ny [[Fanahy Masina]]) sy fanosorana menaka (izay midika fidiran' ny herin' Andriamanitra sy mahatonga ny Kristiana ho olom-boahosotra).
 
=== Ny sakramentan' ny fampihavanana ===
Ny [[Sakramentan' ny fampihavanana|fampihavanana]] dia sakramenta manan-tanjona, dia ny famelan' Andriamanitra ny [[Fahotana|fahotan]]' ny olona manao [[fivalozana]]. Atao hoe ''sakramentan' ny kônfesy'' na ''sakrametan' ny famelan-keloka'' na ''sakramentan' ny fampihavanana'' na ''sakramentan' ny fivalozana'' koa ity sakramenta ity.
 
=== Ny sakramentan' ny fanosorana ny marary ===
Ny [[Fanosorana ny marary|sakramentan' ny fanosorana ny marary]], izay atao hoe koa: ''sakramentan' ny marary'' na ''fanosorana farany'', dia sakramenta natokana ho an' ny marary sy ireo efa ambavahaonan' ny fahafatesana, izay anomezan' ny Fanahy Masina azy ireo ny fankaherezana sy ny fiadanan-tsaina ary herim-po handresena ny fahasarotana vokatry ny aretina, atao hanampiana azy hahazaka miaritra ny fahoriana amin'ny aretina sy ny fahanterana.
 
=== Ny sakramentan' ny fanambadiana ===