Boky faharoan' ny Makabeo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
Ny '''Boky faharoan'ny Makabeo''' dia boky ao amin'ny [[Baiboly]] jody amin'ny [[teny grika]] atao hoe [[Septoaginta]] na Septanta. Mitantara ny fanoherana nataon'ireo [[Makabeo]] io boky io nefa maneho izany amin'ny fomba fijery teolojika kokoa fa tsy ara-tantara. Kely kokoa noho ny an'ny [[Boky voalohan'ny Makabeo]] ny vanim-potoana resahiny: manomboka amin'ny andro faramparany niainan'ny mpanjaka seleokida [[Antiokosy IV Epifanesy]] ary mifarana amin'ny fandresen'i [[Jodasy Makabeo]] ny Jenerany Nikanora, dimy ambin'ny folo taona taty aoriana (taona 161).
 
Voasokajy ho [[Boky deoterokanonika|deoterôkanônika]] ny boky ao amin'ny [[Baiboly katolika|Baiboly katôlika]] sy ny [[Baiboly ortodoksa|Baiboly ôrtôdôksa]] fa [[Apokrifan'ny Baiboly|apôkrifa]] kosa izy ho an'ny [[Prôtestantisma|Prôtestanta]] sy ny [[jodaisma]]. Ny [[Anglikanisma|Anglikana]] dia mihevitra an'io boky io ho ilaina nefa tsy amin'ny fanorenam-pampianarana na amin'ny fanavotana<ref><small>Harris, Stephen L., ''Understanding the Bible''. Palo Alto: Mayfield. 1985.</small></ref><ref><small>[http://www.episcopalian.org/pbs1928/articles/AnglicanTeaching/042.htm Article VI at episcopalian.org] ([https://web.archive.org/web/20070928122338/http://www.episcopalian.org/pbs1928/articles/AnglicanTeaching/042.htm Tahiry]: 2007-09-28 ao amin'ny Wayback Machine).</small></ref>.
 
Na dia kely kokoa noho ny an'ny boky voalohany aza ny zavatra lazainy momba ny tantaran'ny [[Jody]] (na Jiosy) dia loharano ahafantarana ny niantombohan'ny ady teo amin'ny Jodeana sy ny [[Seleokida]] io boky io. Ahitana zavatra manakaiky ny lovantsofin'ny [[Fariseo]] koa ao, dia ny vavaka ho an'ny maty, izay finoana ny [[Tsy feteza-maty|tsy feteza-mati]]<nowiki/>n'ny fanahin'olombelona na ny [[fiainana mandrakizay]] sy ny [[fitsanganan-ko velona]] amin'ny [[Andro fitsarana]]<ref name=":0"><small>Harris, Stephen L., ''Understanding the Bible''. Palo Alto: Mayfield. 1985.</small></ref>.
 
== Fanoratana ny boky ==
Nosoratana avy hatrany tamin'ny [[Fiteny grika|teny grika]] ny Boky faharoan'ny Makabeo, mety ho tao [[Aleksandria]] tokony ho tamin'ny taona 124 tal. J.K<ref name=":0" />.
 
Ny mpanoratra ny Boky faharoan'ny Makabeo dia tsy mitonona anarana sady nanamafy fa tsy nanao afa-tsy namintina asa soratra avy amina boky dimin'i Jasôna avy any Kirena, izay fantatra anarana nefa very. Mety ho nosoratana tamin'ny taona 100 tal. J.K. sady tokony niafara amin'ny nahafatesan'i Nikanora, sahala amin'ny ao amin'ny 2Makabeo. Tsy fantatra izay zavatra mikasika an'i Jasôna ao amin'ny boky, nefa ny savaranonando sy ny teny mialoha ary ny teny fampieritreretana ara-pitondrantena sasany dia mety avy amin'ny mpanoratra tenany.
Andalana faha-23:
 
== Foto-pampianarana ao amin'ny boky ==
Ny Boky faharoan'ny Makabeo dia maneho lohahevitra maro avy amin' ny fivavahana jody [[Fariseo|farizianina]] izay hita koa ao amin' ny [[Teolojia|teôlôjia]] katôlika sy ny teôlôjia ôrtôdôksa tatsinanana. Ny lohahevitra ara-poto-pampianarana ao amin' io boky io dia ahitana:
 
* ny vavaka ho an' ny olona maty sy ny fanaovana fanati-pisoronana hanesorana ny fahotany (2Mak. 12.42-45);
* ny fiheverana fa mendrika ny hahazo valisoa ny martira;
* ny fanelanelanan'nyfanelanelanana ataon' ny olona masinaolomasina (2Mak. 15.11-17) araka ny fivoasana kristiana: ny vavak' i [[Jeremia (mpaminany)|Jeremia]] ao an-danitra dia raisin' ny KatolikaKatôlika ho porofo ara-[[Baiboly]] momba ny fanelanelanana ataon' ny olona masina (2Mak. 15.14)<ref name=":1"><small>James Akin, [http://www.ewtn.com/library/ANSWERS/DEUTEROS.htm Defending the Deuterocanonicals]</small></ref>;
* ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fitsanganan-ko velona]];
* ny firesahana manokana ny amin' ny [[Famoronana (araka ny Baiboly)|famoronana]] avy amin' ny tsy misy (latina: ''creatio ex nihilo'') (2Mak. 7.28).
 
Ireo fanoritsoritana lava momba ireony fampijaliana martiran' i Eleazara sy momba ilay reny sy ny zanany lahy fito (2Mak. 6.18 – 7.42) dia nahatonga ireo Kristiana tamin' ny [[Andro AntenantenanyAntenatenany]] hamoron-javatra an-tsaina. Maro ireo fiangonana atokana ho an' ireo "martira makabeana" isan' ireo olo-malaza talohan' ny andro kristiana izay hita amin' ny tetiandro litorjika katolikakatôlika momba ireo andro masina. Maro dia maro kokoa izy ireo ao amin' ny tetiandro litorjika ortodoksaôrtôdôksa tatsinanana. Heverina ho modely voalohany ho an' ny tantaran' ny martira tamin' ny Andro AntenantenanyAntenatenany io boky io.
 
Ilay mpiady hevitra teolojiakateôlôjiana (apolojistaapôlôjista) katolikakatôlika Jimmy Akin dia nanao fandinihana momba ny voalazan' ny [[Epistily ho an'ny Hebreo|Epistily ho an' ny Hebreo]] (Heb. 11.35: "''Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra''") sady manamarika fa io fanantenana ny fiainana mandrakizay aorian' ny fampijaliana io dia tsy hita na aiza na aiza ao amin' ireo boky protokanonikaprôtôkanônika ao amin' ny [[Testamenta Taloha]] (izany hoe ny [[kanona|kanôna]] hebreo na kanonankanônan' ny Testamenta Taloha ao amin' ny [[Baiboly protestanta|Baiboly prôtestanta]]), nefa hita ao amin' io boky io (2Mak. 7)<ref name=":1" />.
 
== Jereo koa: ==