Wikipedia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Fandaminam-pehezanteny sy fanitsiana tsipemina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
Rescuing 1 sources and tagging 0 as dead.) #IABot (v2.0.8
Andalana faha-15:
<!--{{main|Tantaran'i Wikipedia}}-->
 
Tamin'ny fiantombohany ny Wikipedia dia tetikasa famenon'ny [[Nupedia]], raki-pahalalana iray maimaim-poana hita tamin'ny tranonkala izay manam-pahaizana manokana (avara-pianarana sy manana traikefa) no nanoratra ny votoatiny, ary misy <!--mg:PROCESS-->fitsipika maro arahin'ny mpanoratra azy. Tamin'ny 9 Martsa 2000 no niorina ny Nupedia, ary kompanian-tserasera amin'ny tranonkala iray, dia ny "Bomis, Inc", no tompony. I [[Jimmy Wales]], <!--mg:CEO-->lehiben'ny Bomis sy i [[Larry Sanger]], tonian'ny fanoratana no isan'ny olona nisongadina tao amin'ny Nupedia, sy ny Wikipedia tato aoriana. Arak'i Sanger, ny mahasamihafa ny Wikipedia amin'ireo raki-pahalalana efa misy dia izy malalaka ny votoatiny, tsy voafetra ny habeny noho izy voizina amin'ny tranonkala, mahitsy fijery ary miezaka ho tsotra noho izy mikendry sarambaben'olona sady mivelatra amin'ny lafiny sy sokajin'olona maro.<ref name=QANupedia>[[Larry Sanger]], "[httphttps://web.archive.org/web/20000510132952/http://www.nupedia.com/interview.html Tafatafa momba an'i Nupedia (Q & A about Nupedia)]", Nupedia, March 2000</ref> Fony tamin'ny andron'ny Nupedia, dingana fito no narahin'ny lahatsoratra iray vao vita, ary matihanina maro no manara-maso izany dingana izany, nefa tsapa tato aoriana fa ela loatra izany sivana izany ka voafetra ihany ny isan'ny lahatsoratra vita. Raha i Bomis ihany no nanohana ara-bola ny fandaniana ilaina, dia nisy fikasana hitadiavam-bola amin'ny alàlan'ny dokambarotra.<ref name=QANupedia /> Fahazoan-dàlana manokana atao hoe Nupedia Open Content License no nitondra ny Nupedia, fa novaina ho [[GFDL]] talohan'ny nanorenana ny Wikipedia araka ny torohevitr'i [[Richard Stallman]].
 
Tamin'ny [[10 janoary]] [[2001]] dia nanolo-kevitra hampiasa wiki teo amin'ny Nupedia i Larry Sanger tao anatin'ny mailing list. Hoy indrindra izy tamin'ilay lahatsoratra "Ndeha hanao wiki":