Efesôsy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Sary
Andalana faha-3:
 
Na dia any amin' ny fito kilometatra any an-tanety miala avy amin' ny sisin-dranomasina, eo akaikin' ny tanànan' i Selçuk sy Kuşadası ao amin' ny tapany andrefan' i [[Torkia]] ankehitriny aza ny sisam-paharavan' i Efesôsy dia isan' ireo seranan-tsambo lehibe tao amin' ny [[Ranomasina Egea]] (grika: ''Αιγαίο Πέλαγος'' / ''Aigaio pélagos'') izy; tao akaikin' ny fivarinan' ny ony anatôliana atao hoe Kaistrôsy (grika: ''Κάϋστρος'' / ''Kaustros'') izy.
[[Sary:Seven churches of asia.svg|vignette|Ireo tanàna misy ny fiangonana fito ao Asia Minora (na Anatôlia)]]
 
Ilay fitoerana masina atao hoe Artemisiôsy, izay natokana ho an' ny andriamanitra [[Artemisy]] (grika: Ἄρτεμις / ''Ártemis'') mpiahy ny tanàna, dia isan' ireo Zava-mahagaga fito eto amin' izao tontolo izao sady isan' ireo nampalaza an' i Efesôsy, ary tao amoron-drano no nisy azy.