Fianakaviam-piteny nilô-sahariana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Nilo-Saharan.png|vignette|327x327px|Fiteny ao Afrika: ny erana mavo no maneho ny faritra misy ny mpiteny nilo-sahariana]]
Ny '''fiteny nilô-sahariana''' dia [[fianakaviam-piteny]] ao [[Afrika atsimon'i Sahara|Afrika atsimon' i Sahara]], ao amin'ny faritr' i Nily Ambony sy ny an' i Sahara-Ambony izay mahafaoka an' i [[Nobia]]. Araka ny fanombanana tanaon' i Lionel M. Bender tamin' ny taona 2004 dia misy fiteny miisa 200 any ho any ao amin' io fianakaviam-piteny io izay tenenin' ny olona miisa 31  000  000 any ho any ao amin' ny Fanjakana (firenena) miisa 18.
 
Io fianakaviam-piteny io dia ahitana fiteny isan-karazany, izay tsy ranoray mihoatra lavitra ny an' ny fianakaviam-piteny akaiky azy, dia ny [[fianakaviam-piteny nizero-kongoley|fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley]], ka iandian-kevitra ny maha fianakaviam-piteny iray ireo fiteny ao aminy. Vitsy ireo [[mpahay fiteny]] izay manao fikarohana amin' ilay fianakaviam-piteny manontolo ary misy ireo izay mitsipaka io fanasokajiana io. Ny tena iandian-kevitra dia ny fampidirana ny [[sampam-piteny sôngay]] amin' ity fianakaviam-piteny ity. Na dia mifanaraka aza ny ankamaroan' ny mpahay fiteny amin' ny maha mitombina ny fisian' io fianakaviam-piteny io dia hita fa ny firafetany anaty dia mbola iadian-kevitra.
 
== Faritra itenenana ny fiteny nilô-sahariana ==
Ny fiteny nilô-sahariana dia tenenina ao amin' ny faritra tsy mitohy avy any amin' ny fivarinfivarinan' ny [[renirano Niger]] ao [[Afrika Andrefana]] hatrany [[EtiopiaEtiôpia]], mandalo ny lohasaha ambonin' ny renirano [[Nily]] ary mandalo amin' ny faritra sasany ao atsimon' i [[Oganda]] sy [[Kenia]]. Tenenina ao avaratr' i [[Tsady]] sy [[Sodana|Sodàna]] ary ao avaratry ny [[Repoblikan'i Kongo|Repoblikan' i Kôngô]] koa ireo fiteny ireo.
 
Ireto ny tena be mpiteny amin' ny fiteny nilô-sahariana:
 
* ny sampam-piteny sôngay, tenenin' ny mponina amin' ny faritra manamorona ny tapany ambonin' ny ony Niger ao [[Mali|Maly]] sy ao [[Nijera|Nizera]];
* ny fiteny kanory, tenenin' ny olona miisa 1  500  000 any ho any, manodidina ny [[farihy Tsady]];
* ireo fiteny ao amin' ny [[Sampam-pieteny nobiana|sampana nobiana]], tenenin' ny olona miisa 1  000  000 any ho any, manamorona ny ony Nily, manakainy ny sisin-tanin' i [[Ejipta]], miparitaka amin' ny "nosim-piteny" maro, ny lehibe amin' ireo fiteny ireo dia ny fiteny dinka, ny fiteny noera, ny fiteny siloka ary ny ny fiteny diora;
* ireo vondrona madinidinika toy ny [[sampam-piteny mabàna]] sy [[sampam-piteny komàna]], izay tenenina any Tsady sy any amin' ny sisin-tany manasaraka an' i [[EtiopiaEtiôpia]] sy i [[Sodàna]];
* ao koa ny [[fiteny fora]] izay fiteny manirery.