Etiôpia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
I '''Etiôpia''' na ny '''Repoblika Demôkratika Federalin' i Etiôpia''' dia firenena ao amin' ny [[Tandrok'i Afrika|Tandrok' i Afrika]] ao [[Afrika Atsinanana]], izay izay manana velaran-tany mirefy 1 127 127 km², mifanila amin' i [[Eritrea]] ao avaratra, i [[Sômalia]] ao atsinanana -atsimo -atsinanana, i [[Sodàna]] ao avaratra -andrefana, i [[Sodàna Atsimo]] ao andrefana -atsimo -andrefana, i [[Kenia]] ao atsimo ary i [[Jibotỳ]] ao avaratra atsinanana. I [[Addis-Abeba]] no renbivohiny. Heverina ho nipoitra avy ao amin' ny faritr' i Etiôpia ny olombelona: ny [[aostralôpiteka]] voalohany, izay razamben' ny olombelona, dia niseho tao voalohany tany amin' ny 4,5 tapitrisa taona tany aloha.
 
Miompana amin' ny [[fambolena]] izay velezin' ny [[haintany]] mafy matetika ny toekaren' i Etiôpia. Nandritra ireo taona 1970 sy teo antenatenan' ireo taona 1980 dia niharan' ny haintany sy ny kere izay nandravarava tokoa i Etiôpia. Ankehitriny dia i Etiôpia no firenena mahantra indrindra eto an-tany.
 
Tamin' ny taonjato faha-2 taor. J.K. no niorenan' ny fanjakana voalohany tany, dia ny [[fanjakan' i Aksoma]]. Niova finoana ho amin' ny [[kristianisma]] ity fanjakana ity roanjato taona taty aoriana. Tamin’ ny taonjato faha-15 vao teraka ny fanjakam-panjaka tokana etiôpiana ka ny mpanjaka tamin' izany dia nantsoina hoe negosy (negus) izay midika hoe "emperora" na "mpanjakan' ny panjaka".
 
Taorian' ny fisokafan’ ny [[Lakandranon'i Suez|lakandranon' i Suez]] izay mampitohy ny [[Ranomasina Mediteranea]] amin' ny [[Ranomasina Mena]] dia nanandrana ny hifehy ireo lalalan' ny raharaham-barotra ny Eorôpeana, ohatra amin' izany i [[Italia]] izay nanao ho eo ambany fahefana sy fiarovany ny tanin' i Etiôpia manontolo. Nahazo ny faheleovan-tenany i Etiôpia tamin' ny taona 1896. Tamin' ny fanapahan' ny emperora [[Haile Selassie I|Haile Selassie]] dia nandrafitra ny lalàm-panorenany voalohany i Etiôpia tamin' ny taona 1931. Tamin' ny taona 1974 i Haile Selassie dia naongan' ny miaramila ka nandao ny fitondrana ka tsy nisy intsony ny emperora tao Etiôpia. Taorian' izay dia nanjaka ny ady mitam-piadiana teo amin' i Etiôpia sy i [[Eritrea]] (izay faritany etiôpiana taloha tamin' ny taona 1962-1993).
 
Tamin' ny taona 2021 dia nisy mponina miisa manodidina ny 110 880 000 i Etiôpia. Ny [[fiteny amharika]] no fiteny ôfisialy any Etiôpia.
{| border="1" cellpadding="2" cellspacing="0" align="right" width="300px"
|+<font size="+1">'''Etiôpia'''</font>
Ligne 45 ⟶ 53 :
 
== Tantara ==
Niditra an-keriny tao Etiôpia i [[Italia]] tamin' ny volana oktobra [[1935]] ary nibodo ny [[renivohitra]] ny 5 mey 1936 ka hatramin' ny 5 mey 1941.
 
== Jeôgrafia ==
Ao amin' ny [[saikanosy]] ([[Tandrok'i Afrika|Tandrok' i Afrika]]) amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i [[Afrika]] no misy an' i Etiôpia.
Hatramin' ny nahazoan' i [[Eritrea]] ny fahaleovantenany dia tsy nanana sisin-dranomasina namaritra azy intsony i Etiôpia, ary miray vodi-rindrina amin' i [[Sômalia]], [[Sodàna]], [[Kenia]], ny [[Jibotỳ|Repoblikan' i Jibotỳ]] ary [[Eritrea]] izy.
 
== Mponina ==
 
== Pôlitika ==
 
== Jereo koa ==