Samaritana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Samaritans marking Sukkot on Mount Gerizim, West Bank - 20051017.jpg|vignette|331x331px|Samaritana mankalaza ny fetin'ny Tabernakely (na Sokota) eo amin'ny tendrombohitra Gerizima.]]
Ny '''[[Samaritana]]''', izay atao hoe '''Israelita samaritana''', dia vahoaka monina ao [[Isiraely|Israely]] sy [[Sisjordania]], ka ao [[Samaria]], tanàna ao amin'ny tapany avaratr'i [[Palestina]], no tany nonenan'ireo razany izay nanjaka tao mandraka amin'ny taonjato faha-5. Tsy milaza ny tenany ho [[Jiosy]] izy ireo nefa mihevi-tena ho taranaky ny [[Israelita]] fahiny nonina tao amin'ny [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan'i Israely]] tao avaratra tao Samaria. Misy ny Jiosy mihevitra azy ireo ho taranak'olona vahiny tsy Israelita. Na tamin'ny andro mifanandrify amin'ny zavatra tantaraina ao amin'ny [[Testamenta Vaovao]] dia navakavahan'ny Jiosy ny Samaritana. Ny [[Isiraely|Fanjakan'i Israely]] amin'izao fotoana izao anefa dia manao ny Samaritana ho Jiosy.
 
Manana fivavahana mifanakaiky amin'ny [[Jodaisma|fivavahana jiosy]] azy manokana, atao hoe ''samaritanisma'', ny Samaritana, nefa ny boky dimy voalohany ao amin'ny [[Baiboly]] ihany (atao hoe [[Pentateoka]]), fa tsy ny [[Baiboly hebreo]] manontolo, no ekeny ho [[Soratra Masina]]. Ny tendrombohitra [[Tendrombohitra Garizima|Gerizima]] no tendrombohira masina fa tsy i [[Ziona]] na Siona. Manana ny abidiny manokana koa izy ireo dia ny [[abidy samaritana]] izay tsy mitovy amin'ny [[abidy hebreo]]. Amin'izao fotoana izao dia misy ny Samaritana israeliana sy ny Samaritana jordaniana ary ny Samaritana palestiniana. Vitsy izy ireo satria tamin'ny taona 2007 dia 796 no isany.
Andalana faha-15:
Ny Baiboly anefa tsy tena miresaka mazava ny amin'ny fanjavonan'ireo fokon'i Israely folo. Ohatra, ny [[Bokin'i Jeremia]] (Jer. 41.5) dia mitatitra fa 150 taona taorian'ny faharavan'ny [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Fanjakan'i Samaria]], izany hoe raha vantany vao rava i Jerosalema tamin'ny taona 586 tal. J.K., dia tonga nitondra fanatitra ho an'ny [[Tempolin'i Jerosalema]] ny mponin'i Israely Avaratra: "lehilahy miisa valopolo tonga avy any Sikema (na Sekema), avy any Silo ary avy any Samaria, niharatra volom-bava, nandrovitra akanjo, sady nandididy ny hodiny (ho mariky ny fisaonana). Nitondra voan-javatra sy emboka manitra hatao fanatitra ho an'ny Tempolin'i Iahveh".
 
=== Fiheveran' ny Jiosy sy ny Kristiana sasany ===
Na dia manalasala aza ny fitantaran' ny Baiboly dia mihevitra ny [[Jodaisma ortodoksa|Jiosy ortodoksaôrtôdôksa]], toraka izany koa ny Kristiana sasany, fa ny Samaritana dia tsy afaka hihambo ho taranak' ireo [[Foko folo very|foko folo]] tao Israely. Tsy ireo Samaritana ireo no ho fitohizam-pisian' ireo foko izay nanjavona amin' ny fomba tsy fantatra ireo; taranak' olona tsy Israelita tao amin' ny mpijirika [[Asiria|Asiriana]] tamin' ny [[Andro Taloha]].
 
=== Fiheveran' ny manampahaizana ===
Ny fivavahan'ny Samaritana, izay mifototra amin'ny [[Torah]], dia tsy ahitana soritra fomban'ny mpanompo sampy. Tamin'ny taonjato faha-6 dia nitantara ny [[Bokin'i Jeremia]] fa nanao fanatitra tao amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] izy ireo.
 
Andalana faha-24:
 
Noho ireo antony ireo dia be mpanaraka ny petra-kevitra izay manohana fa ny 80%n'ny mponina tao amin'ny Fanjakan'i Samaria dia nanohy noina tao ihany fa tsy natao sesitany, ka ireo no nanjary Samaritana (amin'ny dikan'io teny io ara-pivavahana) araka ny ambaran'ny [[Bokin'ny Mpanjaka]]<ref><small>Israël Finkelstein, Neil Asher Silberman, ''La Bible dévoilée, Les nouvelles révélations de l'archéologie,'' 2002, p. 256.</small></ref>. Ireo izay natao sesitany nefa vitsy dia mety nifangaro amin'ny vahoaka manodidina rehefa ela ny ela.
 
== Ny fivavahan' ny Samaritana ==
 
== Jereo koa: ==