Wikipedia:Takelaka/10 2021: Fahasamihafan'ny versiona
Contenu supprimé Contenu ajouté
Pejy voaforona amin'ny « vignette|290x290px|[[Baibolin'i Lotera|Baibolin' i Lotera]] Ny '''''Sola scriptura''''' dia ainga fototra ao amin' ny fiangonana prôtestanta maro, izay milaza fa ny Baiboly no fahefana fara tampony sady tokana no tsy mety diso tsy maintsy ankatoavin' ny Kristiana sy ny Fiangonana amin' ny finoany sy ny fiainana maha Kristiana azy. Araka io ainga fototra io dia ny Baiboly no mirakitra ny ten... » |
Aucun résumé des modifications |
||
Andalana faha-1:
[[Sary:Lutherbibel.jpg|vignette|290x290px|[[Baibolin'i Lotera|Baibolin' i Lotera]]]]
Ny '''''Sola scriptura''''' dia ainga fototra ao amin' ny [[Prôtestantisma|fiangonana prôtestanta]] maro, izay milaza fa ny [[Baiboly]] no fahefana fara tampony sady tokana no tsy mety diso tsy maintsy ankatoavin' ny [[Kristianisma|Kristiana]] sy ny Fiangonana amin' ny finoany sy ny fiainana maha Kristiana azy. Araka io ainga fototra io dia ny [[Baiboly]] no mirakitra ny [[tenin' Andriamanitra]] ka izy irery ihany no manana fahefana ara-[[teôlôjia]] sady mpanoro lalana ho an' ny finoana sy ny fiainana. Izany no fintinina amin' ny hoe "ny Soratra Masina irery ihany". Ny "Baiboly" resahina eto dia ny [[Baiboly protestanta|Baiboly prôtestanta]] izay tsy ahitana ireo boky ataon' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa hoe [[Boky deoterokanonika|deoterôkanônika]].
Ny andian-teny hoe "Sola scriptura" dia midika hoe "amin' ny alalan' ny soratra irery" sady adikan' ny teôlôjiana prôtestanta miteny malagasy amin' ny hoe "'''Soratra Masina irery ihany'''". Misy dimy ireo andian-teny manomboka amin' ny teny hoe ''[[Solae dimy|Sola]]'' ka iray amin' izany ny "Sola scriptura" (vakio hoe: Sôla skriptora").
|