Sôdôma sy Gômôra: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tanàna resahina ao amin' ny Baiboly
 
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Sodom and Gomorrah afire, by Jacob Jacobsz. de Wet d. J., probably Köln, c. 1680, oil on canvas - Hessisches Landesmuseum Darmstadt - Darmstadt, Germany - DSC01149.jpg|vignette|253x253px|''Sôdôma et Gômôra mirehitra,'' nataon' i Jacob Jacobsz de Wet, tamin' ny taona 1680.]]
'''Sôdôma sy Gômôra''' dia tanàna [[Kanaana (faritra)|kanaanita]] roa resahina ao amin' ny [[Baiboly]] sy ny [[Kor'any]], izay noravan' Andriamanitra tamin' ny fandatsahana [[afo]] sy [[solifara]]. Ny lovantsofin' ny Baiboly dia manao azy ireo ho tanàna tao atsimon' ny [[Ranomasina Maty]], ao amin' ny misy an' i [[Jôrdania]] ankehitriny, eo anoloan' ny famaharana [[Masada]], nefa ny tena toerana tena nisy azy ireo dia petra-kevitra ihany. Misy tanàna hafa koa izay nifanakaiky tamin' izy ireo, dia i Adma sy i Tsebôima (na Zebôima) ary i Tsôara (na Zôara). Atao hoe סְדוֹם ועֲמֹרָה / ''Səḏōm w ʿĂmōrāh'' izy ireo amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]].
 
Milaza ny Baiboly fa noravana ireo tanàna ireo noho ny fahotany, noho ny fikasany hanolana sy ny avovavony ary ny fitiavan-tenany. I [[Lota|Lôta]] sy ny zanany no sisa velona fa afa-nandositra niala ny tanàna. Hatramin' ny emperora [[Jostiniano I|Jostiniano]], tamin' ny taona 543, io fitantarana io dia nampiasainba mba hanamarinana ny famaizana ny fifankatiavana ara-nofon' ny mitovy fanbanahana. Efa nitranga tamin' ny taonjato faha-4 ny fivoasana toy izany tao amin' ireo mpandinika kristiana toa an-dry [[Aogostino avy any Hipo|Aogostino any Hipo]], izay isan' ireo [[Rain' ny Fiangonana|Rain' ny fingonana]] (na Aban' ny Eglizy).
 
== Firesahana an' i Sôdôma sy Gômôra ao amin' ireo bokim-pivavahana ==
 
=== Ao amin' ny Testamenta Taloha ===
 
==== Bokin' i Genesisy ====
Tantaraina ao amin' ny [[Bokin'ny Genesisy|Genesisy]] na Jenezy (Gen. 17-19) ny zava-nanjo ireo tanàna ireo.
 
==== Bokin' i Ezekiela ====
Resahina ao amin' ny [[Bokin'i Ezekiela|Bokin' i Ezekiela]] (Ezek 16.46 - 56) ny antony nandoroan' Andriamanitra ny tanàna: "''Indro, izao no helok' i Sodoma rahavavinao: Avonavona sy fahabetsahan-kanina ary fahatokiam-poana no tao aminy sy tao amin' ny zananivavy, ary tsy mba nitantana ny malahelo sy ny mahantra izy''." (Ezek 16.49).
 
=== Ao amin' ny Testamenta Vaovao ===
Resahina ao amin' ny [[Epistily nosoratan'i Joda|Taratasy nosoratan' i Joda]] (Joda 1.5-7) ny amin' i Sôdôma:
 
"<sup>5</sup> ''Tiako ny hampahatsiaro anareo ny zavatra efa renareo taloha, fa nony efa novonjen' ny Tompo ho afaka tany Ejipta ny vahoakany, dia naringany indray izay tsy nino taty aoriana.'' <sup>6</sup> ''Ary ny anjely tsy nahatana ny fiamboniany fa nitsoa-ponenana, dia tànany am-patorana mandrakizay ao anatin' ny aizina, sy tahiriziny ho amin' ny andro fitsarana lehibe.'' <sup>7</sup> ''Toy izany Sodoma sy Gomora, mbamin' ny tanàna manodidina izay nijangajanga toa azy koa sy nanao ratsy tamin' ny nofo hafa, ka indro miampatra eo ho fananarana, miaritra ny afo mandoro azy mandrakizay.'' <sup>8</sup> ''Ireo olona ireo koa, milentika amin' ny redirediny, ka mandoto ny nofony toy izany, manamavo ny fahandrianana, ary manevateva ireo voninahitra''."
 
== Jereo koa ==