Siera Leôna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
[[Sary:Flag of Sierra Leone.svg|vignette|342x342px|Sainam-pirenen' i Siera Leôna]]
[[Sary:Sierra Leone (orthographic projection).svg|vignette|I Siera Leôna eo anivon' izao tontolo izao]]
[[Sary:Sierra Leone-carte.png|vignette|Sarin-tanin' i Siera Leôna]]
I '''Siera Leôna''' dia firenena ao [[Afrika Andrefana]], izay manana morontsiraka ao amin' ny [[faritraRanomasimbe andrefan'iAtlantika]], Afrika|faritramanana andrefan'velaran-tany imirefy Afrika]]71 740 km². I [[Freetown]] no renivohiny.
 
Tany lemaka amorontsiraka midadasika no mandrafitra ny vohon-tanin' i Siera Leôna, izay mivelatra amin' ny halavana mirefy 80 km ao afovoan-tany. Anjakan' ny [[lembalemba]] sy ny [[tangorom-bohitra]] ny ao atsinanana. Maro ny renirano manondraka ny tanin' i Siera Leôna.
 
Betsaka ny karazam-biby any amin' io firenena io, ka anisan' izany ny [[antilôpa]], ny [[elefanta]], ny [[voay]], ny [[lalomena]] ary ny rajako. Ahitana karazam-borona maro koa ao.
 
[[Miozolmàna]] ny ankamaroan' ny mponina any Siera Leôna (60 %), maro koa ny manaraka ny [[fivavahan-drazana afrikana]] [[Animisma|animista]].
 
Miompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Siera Leôna, ka anisan' ny volena any ny [[vary]], ny [[kafe]] ary ny [[kakaô]]. Anisan' ireo tany voalohany mpamokatra vato sarobidy sy [[diamondra]] i Siera Leôna.  
 
Zanatany britanika taloha i Siera Leôna, tamin' ny taona 1961 no nahazoany ny fahakeovan-tenany. Nandrotika an' ity firenena ity ny ady an-trano tamin' ny taona 1990 hatramin' ny taoa 2001. Mpikambana ao amin' ny ''[[Commonwealth]]'' izy. Ny [[fiteny anglisy]] no fiteny ôfisialiny.
 
== Jereo koa ==