Babilônia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Tsipelina
Tsipelina
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
 
Andalana faha-4:
Matetika i Babilônia dia mifanandrina amin' ny fanjakan' i [[Asiria]] ao avaratra sy amin' i [[Elama]] ao atsiananana ao amin' ny misy an' i [[Persia|Iràna taloha]]. Nandritra ny fotoana fohy taorian' i Hamoraby (1792–1752 tal. J.K. na 1696–1654 tal. J.K.) dia lasa fanjakana matanjaka i Babilônia tany amin' izany faritra izany, izay namorona [[empira]] tsy nahari-pisiana, nandimby ny Empira Akadiana voalohany sy ny dinastia fahatelo tao [[Ora (tanana tamin'ny Andro Taloha)|Ora]] ary ny Empira Asiriana Taloha. Rava haingana ny Empira Babilôniana taorian' i Hamoraby ka lasa fanjakana madinika.
 
Sahala amin' i Asiria koa ny Fanjakana Babilôniana izay nitahiry ny fiteny akadiana soratana (fitenin' ny mponina niaviany) amin' ny soratra ara-panjakana ataony, na dia miteny [[Fiteny semitika avaratra-andrefana|semitika avaratra-andrefana]] aza ny Amôrita mpanorina azy ary na dia miteny amin' ny [[fiteny manirery]] aza ireo [[Kasita]] mpandimby azy ireo, izay tsy manam-piaviana mesôpôtamiana. Voatahiriny ny [[fiteny someriana]] izay ampiasainy amin' ny [[fivavahana]] (toa an' i Asiria), nefa tamin' ny fanorenana an' i Babilôna dia efa tsy fiteny nifampiresahana am-bava izany satria nailiky ny [[fiteny akadiana]]. Nisahana anjara asa lehibe teo amin' ny kolontsaina babilôniana sy asiriana ny fomba amam-panao akadiana sy someriana, ary nitoetra ho ivo ara-kolontsaina matanjaka izany faritra izany, na dia tamin' ny vanimpotoana maharitra nisian' ny fankazakanafanjakazakana nahazo azy avy ety ivelany.
 
Ny firesahana voalohany ny tananan' i Babilôna dia mety ilay hita ao amin' ny [[tanimanga fanoratana]] tamin' ny andron' i [[Sargôna any Akady]] (2334–2279 tak. J.K.), izay nosoratana tamin' ny taonjato faha-23 tal. J.K. I Babilôna tamin' izany fotoana izany dia ivon-toerana ara-pivavahana sy ara-kolontsaina fotsiny fa tsy fanjakana mahaleotana na tanàna lehibe; sahala amin' ny faritra sisa rehetra amin' i [[Mesôpôtamia]] dia notapahin' ny Empira Akadiana i Babilôna izay nanangona ireo vahoaka miteny akadiana sy someriana ka nametraka azy eo ambany fitsipika tokana. Taorian' ny firodanan' ny Empira Akadiana, ny faritra atsimon' i Mesôpôtamia dia nanjakan' ny [[Gotiana]] nandritra ny taompolo vitsivitsy talohan' ny niakaran' ny dinastia fahatelon' i Ora, izay, ankoatry ny faritra avaratra amin' i Asiria, mahafaoka an' i Mesôpôtamia, isan' izany i Babilôna.