Fanandevozana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Tsipelina sy rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Marché aux esclaves de Zanzibar.JPG|vignette|285x285px|Tsena fivarotana andevo tao Zanzibar (Tanzania) tamin' ny taonjato faha-19.]]
Ny '''fanandevozana''' dia ny zava-manjo ny olona iray tsy manana fahafahana ka lasa fananana, azo trandrahainatrandrahina sy azo amidy amin' ny olona iray hafa sahala amin' ny entam-barotra. Ny andevo, izay faritan' i [[Aristotle|AristotyAristôty]] ho sahala amin' ny "fitaovana manana aina", dia tsy mitovy amin' ny mpanompo tamin' ny [[Andro AntenantenanyAntenatenany]], na ny olona azo sambo-belona na ny olona miasa an-terivozona, satria very ny maha olona azy eo anatrehan' ny [[lalàna]]. Misy ny fitsipika sy ny fomba amam-panao miovaova isam-pirenena sy isaky ny vanim-potoana, izay mamaritra ny antony mahatonga ny olona iray ho lasa andevo na hahatonga azy ho afaka amin' ny fahandevozana, ny famerana ny fahefan' ny tompony, ny fahalalahana kely mba ananany na ny fiarovan' ny lalàna azy, ny fiheverana na tsia ny maha olona manam-panahy azy eo amin' ny lafiny [[fivavahana]], sns. Ny fanafahana ny andevo (araka ny sitrapon' ny tompony na araka ny sitrapon' ny manampahefana) dia mahatonga azy ho lasa olona [[Fahafahana|afaka]] indray, izay mahatonga azy hitovy (na hitovitovy [[zo]]) amin' ny olona tsotra.
 
Ny fivarotana andevo tany Atsinanana, isan' izany ilay fivarotana andevo mamakivaky an' i [[Sahara]] (fivarotana andevo ataon'ireo ny [[Arabo (olona)|Arabo]]), sy ny fivarotana andevo mainty miampita an' i [[Ranomasimbe Atlantika|Atlantika]] no lehibe indrindra amin' ny fomba fitrandrahana ny fanandevozana noho ny faheretan' ireo fanao ireo (ny voalohany naharitra taonjato iraika ambin' ny folo, ny faharoa naharitra taonjato efatra), noho ny hamaron' ny andevo amidiny (olona mahatratra am-polo tapitrisany maro no lasa andevo), ary noho ny fiantraikanyfiantraikan' izany ara-piarahamonina sy ara-kolontsaina ary ara-toekarena, ka hita izany na tao amin' ny faritra mpanandevo na tao Afrika, izay nahitana ireo toerana telo lehibe fivarotana andevo: i [[Tombouctou]] sy i [[Zanzibar|Zanzibara]] ary i Gao.