Babilônia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Faritra tamin' ny Andro Taloha
Marika: Redirection supprimée Hanova araka ny hitan'ny maso
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Hammurabi's Babylonia 1.svg|vignette|307x307px|Ny fiitaran' ny tanin' ny Empira Babilôniana tamin' ny fiantombohana sy ny fiafaran' ny fanapahan' i Hamoraby, izay mahafaoka ny misy an' i [[Koety]] sy [[Iràka]] ankehitriny.]]
I '''Babilônia''' dia fanjakana [[Fiteny akadiana|miteny akadiana]] tamin' ny [[Andro Taloha]] sady erana ara-kolontsaina nifototra amin' ny faritra afovoan-atsimo amin' i [[Mesôpôtamia]] (mifanandrify amin' i [[Iràka]] sy i [[Siria]] ankehitriny). Tamin' ny taoa 1894 tal. J.K. no nipoiran' ny fanjakana notapahin' ny [[Amorita|Amôrita]] vitsivitsy, izay nahitana ny tanàna kelin' i [[Babilôna]] nisahanana ny fandraharahana ny fitondram-panjakana. Mbola tanàna kely amin' ny faritanin' ny [[Empira Akadiana]] (2335–2154 tal. J.K.) i [[Babilôna]] tamin' izany fotoana izany nefa efa nisy fandrosoana lehibe nandritra ny fanapahan' ny mpanjaka [[Hamoraby]] tamin' ny antsasany voalohany amin' ny taonjato faha-18 tal. J.K. sady lasa renivohitra lehibe. Nandritra ny fanapahan' i Hamoraby sy taorian' izany dia nantsoina hoe ''Māt Akkadī'' (teny akadiana midika hoe "ny tanin' i Akady") i Babilônia.
 
Ligne 6 ⟶ 7 :
 
Ny firesahana voalohany ny tananan' i Babilôna dia mety ilay hita ao amin' ny [[tanimanga fanoratana]] tamin' ny andron' i [[Sargôna any Akady]] (2334–2279 tak. J.K.), izay nosoratana tamin' ny taonjato faha-23 tal. J.K. I Babilôna tamin' izany fotoana izany dia ivon-toerana ara-pivavahana sy ara-kolontsaina fotsiny fa tsy fanjakana mahaleotana na tanàna lehibe; sahala amin' ny faritra sisa rehetra amin' i [[Mesôpôtamia]] dia notapahin' ny Empira Akadiana i Babilôna izay nanangona ireo vahoaka miteny akadiana sy someriana ka nametraka azy eo ambany fitsipika tokana. Taorian' ny firodanan' ny Empira Akadiana, ny faritra atsimon' i Mesôpôtamia dia nanjakan' ny [[Gotiana]] nandritra ny taompolo vitsivitsy talohan' ny niakaran' ny dinastia fahatelon' i Ora, izay, ankoatry ny faritra avaratra amin' i Asiria, mahafaoka an' i Mesôpôtamia, isan' izany i Babilôna.
 
== Jereo koa ==
 
* [[Mesôpôtamia]]
* [[Babilôna]]
* [[Fiteny babilôniana]]