Tetiandro miozolmana: Fahasamihafan'ny versiona

k
tsy misy ambangovangom-panovana
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
kAucun résumé des modifications
Ny [[tetiandro miozolmana|'''tetiandro''' '''miozolmana''']] na '''tetiandro silamo''' dia [[tetiandro]] ampiasain'ny fivavahana silamo ka ny iray [[Volana (fotoana)|volana]] ao aminy, izay mitovy amin'ny fitsingerenan'ny [[Volana]] amin'ny Tany, dia misy 29 na 30 andro ary ny iray taona misy 354 na 355 andro. Tetiandro [[Tetiandro manara-bolana|manara-bolana]] tanteraka ny tetiandro miozolmana. Ny fanombohan'ny volana tsirairay dia mifanandrify amin'ny fotoan'ny tsinam-bolana hitan'ny maso. Ampiasaina indrindra amin'ny fankalazana fety amin'ny [[Fivavahana silamo|fivavahana silamo]] ny tetiandro miozolmana. Tsy misy ny fampifanandrifiana ny taona silamo amin'ny tsingerim-pihodinan'ny [[Tany]] amin'ny [[Masoandro]] na amin'ny [[fizaran-taona]]; noho izany dia tsy misy koa ny volana fanampiny (volana faha-13), tsy tahaka ny ao amin'ny [[tetiandro manara-bolana sy masoandro]] toy ny [[tetiandro hebreo]].
 
Ny taona 1 amin'ny tetiandro miozolmana dia mifanandrify amin'ny taona 622 taor. J.K. amin'ny [[tetiandro gregorianagregôriana]] ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin'ny 15 na 16 Jolay tamin'io taona 622 io. Andro voalohany amin'ny volana ''[[Moharamo|Muharram]]'' izany. Io no andro voalohany tamin'ny fifindrà-monin'ny mpaminany [[Mohamady]] sy ireo mpanaraka azy avy ao Maka hankany Iatriba (tanàna fantatra amin'ny anarana hoe Madîna amin'izao fotoana izao). Izany fifindrà-monina izany no atao hoe ''Hiǧrah'' (هجرة) amin'ny [[Fiteny arabo|teny arabo]]. Folo taona taorian'io andro io no nampiasana ny tetiandro miozolmana. Atao hoe التقويم الهجري‎ / ''at-taqwīm al-hijrī'' io tetiandro io amin'ny teny arabo.
 
== Ny andro sy ny volana ==
 
==== Ny volana ====
Ny fijerena ny fahatsinanan'ny [[Volana]] no ahafantarana ny fiantombohan'ny volana ao amin'ny tetiandro mozolmana fa tsy ny kajy ara-kaikintana. Ny tsinam-bolana, ohatra, mety ho hita any [[Rabat]] nefa tsy hita any [[Riyadh|Riyad]] amin'ny fotoana mitovy. Miteraka tsy fitovian'ny andro anombohan'ny volana izany arakaraka ny faritra na ny firenena. Noho izany dia mety hisy fahasamihafana iray na roa andro ny fiantombohan'ny volana ao amin'ireo tany silamo.
 
Ireto avy ny anaram-bolana ao amin'ny tetiandro miozolmana:
Ny fanombohan'ny volana tsirairay dia mifanandrify amin'ny fotoan'ny tsinam-bolana hitan'ny maso.
 
==== Ny andro ====
Ireto ny anaran'ny [[andro]] ao amin'ny tetiandro miozolmana (anaran'andro arabo):
{| class="wikitable"
 
== Fifandraisan'ny taona silamo sy ny taona gregoriana: ==
Fohy kokoa noho ny taona [[Tetiandro gregoriana|gregoriana]] na [[Tetiandro joliana|joliana]] ny taona miozolmana ka 11 andro ny elanelan'izy ireo. Ny taona 1 amin' ny tetiandro miozolmana dia mifanandrify amin' ny taona 622 taor. J.K. ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin'ny 15 na 16 Jolay tamin'io taona 622 io. Inty ny raikipohy azo ampifandraisana ny taona miozolmana (m) sy ny taona gregoriana (g):
 
* m(g) = (g − 621,5709) × 1,0306888.
28 664

modifications