Empira Safavida: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-9:
 
Nahatratra ny fara tampon'ny tanjany ny dinastia safavida tamin'ny nitondran'i Abbas <abbr>I, izay shah nanomboka tamin'ny taona 1588 hatramin'ny taona 1629, izay nanasaraka ny fahefana ara-pivavahana tamin'ny fahefana ara-politika teo amin'ny empira, ka nanangana mpiambina manokana nahitana andevo novaim-pinoana ho silamo, atao hoe ''ghulams'', mba hanoherana ireo foko kizilbasy (Qizilbashs). Iray tamin'ireo hery telo tao amin'ny tontolo miozolmàna ny Safavida, nanampy ny Empira ôtômàna sy ny Empira môngoly, izay nifandray tamin'ny mpanjaka eorôpeana, izay naniry hametraka firaisana hanoherana ny Vavahady Avo (torka ôtômana: باب عالی / ''Bāb-ı āli''; frantsay: ''Sublime Porte'').</abbr>
 
== Ny Empira Safavida ==
Ny Empira Safavida no natanjaka indrindra tamin' ny Empira Iraniana izay niorina taorian'ny fakan' ny Miozolmàna an'i Persia. Tao Ardabila ny Safavida no nanapaka ny ampahany lehibe tamin'i Persia sady nanamafy ny maha faritra persiana izany faritra izany, ka izy ireo no fianakavia-mpanjaka teratany persiana voalohany hatramin'ny Empira sasanida ka niezaka nampiray ny fanjakana persiana.
 
Niroborobo ny haisoratra sy ny zavakanto ary ny maritrano tamin'ny andron'ny Safavida, ary matetika dia lazaina fa izany dia "faharetahan'ny Empira persiana fanindroany". Nataon'ny Safavida fivavaham-panjakana ny finoana silamo siita, tsy tahaka ny tao amin'ny [[Empira Ôtômàna]] izay nanao ny finoana silamo sonita ho fivavaham-panjakana. Ny Empira Safavida no fanjakana silamo iraniana voalohany izay nitovy lenta tamin'ny Ôtômana sy ny [[Mamelòka]].
 
== Jereo koa ==