Animisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-1:
[[Sary:Autel animiste. Village Bozo, Mopti, Bandiagara, Mali. Date du cliché 25-12-1972.jpg|vignette|300x300px|Alitara (na ôtely) animista ao amin' ny tanàna ambanivohitry ny Bôzô, any Mopti, Bandiagara, Maly, tamin' ny taona 1972.]]
Ny '''animisma''' dia finoana ny fananan' ny zavatra rehetra [[Fanahin'ny vatana|fanahy]] sy aina, ka tsy ny zavamananaina ihany izany fa ny zavatra hafa toy ny [[hazo]], ny [[rivotra]], sns. Inoana koa ao amin' ny animisma ny fisian' ny [[fanahy]] maro tsy hita maso izay mpiaro. Avy amin' ny [[Fiteny latina|teny latina]] hoe ''anima'' izay midika hoe "fanahy" na "aina" ny teny hoe ''animisma''.
 
Ireo fanahy na aina ireo dia fisehoan' ny razana efa maty na fisehoan' ny fanahin' ny [[Andriamanitra (ankapobeny)|andriamanitra]] biby, izay afaka miasa amin' ity tontolo tsapa ity, na amin' ny lafiny tsara izany na amin' ny lafiny ratsy, izay anaovana fanompoam-pivavahana. InoaInoan' ny animista ny fisian' ny [[fiainana aorian'ny fahafatesana|fiainana aorian' ny fahafatesana]]. Ny animisma dia hita amin' ny faritra maro eto ambonin' ny tany amin' ny [[kôntinenta]] rehetra.
 
== Ny fisehoan' ny animisma ==
 
=== Ny fetisisma ===
Ny [[fetisisma]] dia fivavahana amin' ny zavatra heverina ho manana hery ambonin'  ny ara-boajanahary. Karazana animisma ny fetisisma.
 
=== Ny tôtemisma ===
Ny [[tôtemisma]] dia finoana ny fisian' ny razana na fanahy mpiaro ny foko na vondrom-poko iray, izay mitoetra ao amin' ny atao hoe [[tôtema]], izay mety zavatra voasokitra na biby na zavamaniry inoana fa manan-kasina. Karazana animisma koa ny tôtemisma.
 
=== Ny samanisma ===
Amin' ny kolontsaina animista amin' ny faritra sasany dia afaka mifandray sy mifampiresaka amin' ny fanahy tsy hita maso ny velona amin' ny alalan' ny mpanelanelana atao hoe [[samàna]] (karazana mpimasy na [[ombiasa]]): izany no atao hoe [[samanisma]].
 
== Jereo koa ==