Renin' Andriamanitra: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-3:
 
== Ny kônsily tao Kalkedôna ==
Ny [[Kônsily tao Kalkedôna]] na Kônsily tao Kalsedoana dia [[kônsily ekiomenika]] fahaefatra teo amin' ny tantaran' ny Fiangonana kristiana izay natao tao [[Kalkedona]] na Kalsedoana tamin' ny taona 430. Tamin' ity kônsily ity no nanambaràna ny fananan' i [[Jesoa]] natiora roa, dia natioran' Andriamanitra sy natioran' olombelona. Ny emperora [[Teôdôsio II]] no nampanao io kônsily io. Nivoaka tamin' izany ny [[Fiekem-pinoan'i Kalkedona|Fanekem-pinoanan' i Kalkedôna]] izay namaritra ny fiombonan' ny natiora roan' i Kristy sady nanamafy koa ny maha Renin' Andriamanitra an' i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]].
 
=== Ny Fanekem-pinoanan' i Kalkedôna ===
Andalana faha-9:
 
== Ny fampianaran' ny fiangonana hafa ==
Tsy mitovy ny fandraisan' ny [[Prôtestantisma|Prôtestanta]] io anaram-boninahitra hoe "Renin' Andriamaitra" io.
 
=== Ny fampianaran' ny fiangonana loterana ===
Ny [[Loteranisma|Loterana]] dia nihazona ny anaram-boninahitra hoe "Renin' Andriamanitra" (alemàna: ''Mutter Gottes'' na ''Gottesmutter''), izay efa neken' i [[Martin Lotera]] sady ambara mazava ao amin' ny Fôrmiolan' ny Kônkôrda (1577), izay eken' ny Lutheran World Federation.
 
=== Ny fampianaran' ny fiangonana kalvinista ===
Tsy manaiky ny anaovana an'i Maria ho Renin' Andriamanitra ny [[Kalvinisma|Kalvinista]]. Ekeny ny maha renin' ilay olona atao hoe Jesosa an' i Maria fa toheriny ny maha renin' ilay Andriamanitra an' i Maria. I [[Jean Calvin]] dia mitsipaka ny fiantsoana an' i Maria hoe "Renin' Andriamanitra".
 
=== Ny fampianaran' ny fiangonana tsy trinitariana ===
Ny fampianaran' ny antokom-pivavahana tsy mino ny [[Trinite]] dia mazava kokoa satria tsipahiny tanteraka ny fampianarana manao an' i Jesoa ho Andriamanitra. Isan' ireo fivavahana ireo ny [[Vavolombelon'i Jehovah|Vavolombelon' i Jehovah]].