Renin' Andriamanitra: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-3:
 
== Ny kônsily tao Kalkedôna ==
Ny [[Kônsily tao Kalkedôna]] na Kônsily tao Kalsedoana dia [[kônsily ekiomenika]] fahaefatra teo amin' ny tantaran' ny Fiangonana kristiana izay natao tao [[Kalkedona]] na Kalsedoana tamin' ny taona 430. Tamin' ity kônsily ity no nanambaràna ny fananan' i [[Jesoa]] natiora roa, dia natioran' Andriamanitra sy natioran' olombelona. Ny emperora Teôdôsio II no nampanao io kônsily io. Nivoaka tamin' izany ny [[Fiekem-pinoan'i Kalkedona|Fanekem-pinoanan' i Kalkedôna]] izay namaritra ny fiombonan' ny natiora roan' i Kristy sady nanamafy koa ny maha Renin' Andriamanitra an' i [[Maria (renin'i Jesoa)|Maria]].
 
=== Ny Fanekem-pinoanan' i Kalkedôna ===
"Araka ireo Ray masina izany dia mampianatra amim-piraisam-peo izahay fa mitory Zanaka iray sady tokana, dia ny Tomponay Jesoa Kristy, ilay tanteraka amin' ny maha Andriamanitra, sy tanteraka amin' ny maha olombelona, Andriamanitra tokoa ary olona tokoa misy fanahy misaina sy vatana, mitovy fomba amin' ny Ray araka ny maha Andriamanitra sy mitovy fomba amintsika araka ny maha olombelona, manahaka antsika amin' ny lafiny rehetra afa-tsy amin' ny fahotana, nateraky ny Ray talohan' ny fotoana rehetra araka ny maha Andrimanitra, ary amin' ny andro farany izy tenany ilay nateraka ho antsika sy ho famonjena antsika avy amin' i Maria Virjiny, '''Renin' Andriamanitra''' araka ny maha olombelona, Kristy iray sady tokana, Zanaky ny Tompo, izay hany nateraka, ekena fa manana fomba roa, tsy mifangaro, tsy miova, tsy mizara ary tsy misaraka, ny mahasamy hafa ireo fomba roa ireo dia tsy foanan' ny fiombonana, ny toetran' ny fomban' ny natiora tsirairay dia voatahiry sady mandray anjara amin' ny persona sy hipostazy iray, dia Kristy tsy mivaky sy tsy misaraka ho persona roa, fa Zanaka iray sady tokana, tokana nateraka, Andriamanitra Teny, Tompo Jesoa Kristy."
 
== Ny fampianaran' ny fiangonana hafa ==