Iarsanisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
 
Andalana faha-1:
Ny '''iarsanisma''' na '''iaresanisma''' dia [[fivavahana]] naorin' ilay soltàna atao hoe Sahâk tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-14 tao [[Iràna]] andrefana ([[Kordistàna]] iraniana). Amin' ny [[fiteny korda]] dia atao hoe ''yâresân'' io fivavahana io. Amin' ny [[Fiteny persana|teny persàna]] kosa dia atao hoe اهل حق / ''Ahl-e Haqq'', andian-teny avy amin' ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] midika hoe "Vahoakan' ny fahamarinana" na "Olon' Andriamanitra". Heverina ho sampan' ny [[iazdanisma]] ny iarsaNismaiarsanisma (toy ny [[alevisma]], ny [[iezidisma]] koa).
 
Iharan' ny fanenjehana ireo Iarsàna (''yârsân'') ao Iràna ka atahorana ho fongana. Manoloana ny fikasana hangeja ny Iarsàna dia manomboka mivondrona ho fihetsiketsehana ara-pôlitika izy ireo (ny lehibe indrindra amin' izany dia ny ''Mouvement démocratique yarsan'', MDY, izay atsangananatsangana tany Oslo tamin' ny taona 2007).
 
Hatramin' izay nisiany ka hatramin' ny taonjato faha-20 dia notorina sy nampianarina ao amin' ny fianakaviambe korda ihany sy amin' ireo olona teraka ao amin' io fianakaviambe io (izay atao hoe ''chekédés'') ny finona iarsany, ka tsy isany izany ireo tafiditra tao amin' io fianakaviambe io noho ny fanambadiana (atao hoe ''chasbédés''). Miisa 1 000 000 any ho any ny Iarsàna ka ao [[Iràna]] Andrefana sy ao [[Iràka]] no tena ahitana azy ireo. Ny ankabetsahan' ny Iarsàna dia [[Korda (vahoaka)|Korda]] na dia ahitana foko hafa toy ny Lôra, ny Laka, ny Azery ary ny Persiana. Misy koa ny [[Arabo (vahoaka)|Arabo]].
 
== Jereo koa ==