Fiainan-tsi-hita: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
Ny '''fiainan-tsi-hita''' na '''fitoeran' ny maty''' dia toerana misy ny olona na ny zava-manana aina hafa aorian' ny fahafatesanan araka ny finoana sy ny fivavahana sasany. Amin' ny heviny mifintina dia toerana anasaziana mandrakizay ny olona voaozona ny fiainan-tsi-hita (ka atao hoe '''helo''' na '''afobe''' koa).
 
Ny [[foto-pampianarana]] sy ny [[tenim-pinoana]] ao amin' ireo fivavahana mônôteista momba ny fisian' ny fiainan-tsy hita dia nateraky ny foto-kevitra mitaky ny fanamarinana ny fahamarinan' Andriamanitra amin' ny fitsarana, izay misy ifandraisany amin' ny fahatsapan'ny olona ny fisian' ny asa sy toetra ratsy izay tsy ampy sazy nandritra ny fiainan' izay nanatanteraka izany asa ratsy izany na nanana izany toetra ratsy izany.
 
Niely tamin' ny [[Andro Taloha]] sady hita amin' ny ankamaroan' ny fivavahana eto amin' izao tontolo izao ny finoana ny fiainan-tsi-hita. Ny famaritana ny fiainan-tsi-hita dia miovaova arakaraka ny fivavahana ary indraindray anaovana fivoasana samihafa ao amin' ny fivavahana iray. Ao amin' ny [[bodisma]] , ohatra, dia toetran' ny [[Fanahin'ny vatana|fanahi]]<nowiki/>n' ny olona itambesaran' ny faniriana sy ny fahamaizam-po ny fiainan-tsy hita.
 
== Fiforonan-teny ==
Andalana faha-13:
 
== Fiainan-tsy hita ao amin' ny jodaisma ==
Ny fiainan-tsy hita na ny fitoeran' ny maty na ny fanjakan' ny maty ao amin' ny [[Jodaisma|fivavahana jiosy]] dia atao hoe '''Seôla''' na '''Seôly.''' Izany dia tsy inona fa ny ny fasana iraisan' ny olombelona rehetra. Ny [[Baiboly hebreo]] dia manoritsoritra azy ho sahala amin' ny toerana tsy misy fahafinaretana izay itoeran' ny olona rehetra, na marina na meloka, na mpanjaka na andevo, na tia vavaka na tsy mivavaka, mba hitioerany amim-pahanginana sy hiandrasany ny fiverenany ho vovoka. Tsy izany anefa no iafaran' ny olombelona fa misy ny hovoavonjy avy ao amin' ny Seôla, araka ny lahatsoratra sasany, toy ny hita ao amin' ny [[Bokin'ny Salamo|Bokin' ny Salamo]] (Sal. 86.13) sy ny hafa koa. Amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] dia atao hoe שאול / ''Sheol'' izany.
 
== Fiainan-tsy hita ao amin' ny fivavahana kristiana ==