Ratsiraka Didier: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
'''Ratsiraka, Didier Ignace''' dia miaramila sy mpanao pôlitika malagasy, indroa filoham-pirenen' i Madagasikara (1975-1993 sy 1997-2002), mpanorina ny antoko politika ''Andrin' ny Revolisiôna Malagasy'' (AREMA). Teraka tamin' ny [[4 Novambra]] [[1936]] tany [[Vatomandry]], [[Faritanin'i Toamasina|faritanin' i Toamasina]] izy ary maty tamin' ny 28 Marsa 2021 tao [[Antananarivo]]<ref><small>''jeuneafrique.com'', [https://www.jeuneafrique.com/1144858/politique/madagascar-lancien-president-didier-ratsiraka-est-mort/ "Madagascar l'ancien president Didier Ratsiraka est mort"].</small></ref>.
 
Zanaka mpiasam-panjakana tamin' ny fanjanahan-tany frantsay izy, lasa manamboninahitra tao amin' ny tafika an-dranomasina malagasy ary lasa minisitry ny raharaham-bahiny nandritra ny fitondrana tetezamita miaramila tamin' ny tanona 1972 hatramin' ny 1975. Taorian' io tetezamita io izy dia nampandany lalàm-panorenana vaovao izay nampiditra an' i Madagasikara ao amin' ny sôsialisma. Nampanao fifidianana izy ary lany ho filohan' ny Repoblika Demôkratika Malagasy (RDM). Tsy nahomby ny teti-pitantanana sy ny fanagasiana ka niteraka fahavoazana teo amin' ny toekaren' i Madagasikara sy ny fiainanana andavanandron' ny Malagasy. Izany dia nahatonga fitakian' ny Hery Velona notarihin' i [[Zafy Albert]] ny hisian' ny fanovana ka niteraka fitodram-panjakana tetezamita tamin' ny taona 1991. Tamin' ny taona 1993 dia niala teo amin' ny fitondrana izy jafa i Zafy Albert indray no vovoafidy ho filoham-pirenena.
 
Nirotsaka ho difina ho filoham-pirenena indray Ratsiraka tamin' ny taona 1996 ka lany soa aman-tsara. Navelany ny sôsialisma ka nosoloiny fotokevitra manandratra ny olombelona mirindra amin' ny tontolo iainana (''humanisme écologique''). Nanova ny lalàm-panorenana izy mba hampitomboany ny fahefany. Nisy fihatsarany ihany ny toekarena.