Ratsiraka Didier : Fahasamihafan'ny versiona roa

tsy misy ambangovangom-panovana
Marika: Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday
[[sary:Didier Ratsiraka (cropped).jpeg|thumb|right|Didier Ratsiraka]]
'''Ratsiraka, Didier Ignace''' dia miaramila sy mpanao pôlitika malagasy, indroa filoham-pirenen' i Madagasikara (1975-1993 sy 1997-2002), mpanorina ny antoko politika ''Andrin' ny Revolisiôna Malagasy'' (AREMA). Teraka tamin' ny [[4 Novambra]] [[1936]] tany [[Vatomandry]], [[Faritanin'i Toamasina|faritanin' i Toamasina]] izy ary maty tamin' ny 28 Marsa 2021 tao [[Antananarivo]]<ref><small>''jeuneafrique.com'', [https://www.jeuneafrique.com/1144858/politique/madagascar-lancien-president-didier-ratsiraka-est-mort/ "Madagascar l'ancien president Didier Ratsiraka est mort"].</small></ref>.
 
Zanaka mpiasam-panjakana tamin' ny fanjanahan-tany frantsay izy, lasa manamboninahitra tao amin' ny tafika an-dranomasina malagasy ary lasa minisitry ny raharaham-bahiny nandritra ny fitondrana tetezamita miaramila tamin' ny tanona 1972 hatramin' ny 1975. Taorian' io tetezamita io izy dia nampandany lalàm-panorenana vaovao izay nampiditra an' i Madagasikara ao amin' ny sôsialisma. Nampanao fifidianana izy ary lany ho filohan' ny Repoblika Demôkratika Malagasy (RDM). Tsy nahomby ny teti-pitantanana sy ny fanagasiana ka niteraka fahavoazana teo amin' ny toekaren' i Madagasikara sy ny fiainanana andavanandron' ny Malagasy. Izany dia nahatonga fitakian' ny Hery Velona notarihin' i [[Zafy Albert]] ny hisian' ny fanovana ka niteraka fitodram-panjakana tetezamita tamin' ny taona 1991. Tamin' ny taona 1993 dia niala teo amin' ny fitondrana izy ja i Zafy Albert indray no vovoafidy ho filoham-pirenena.