Adijady: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:CMUs.jpg|vignette|233x233px]]Ny '''Adijady''' no vintana fahafolo amin' ny fanandroana malagasy manara-bolana. Ny [[Alakaosy]] no eo alohany ary ny [[Adalo]] no manaraka azy. Ny zoron-trano avaratra-andrefana no toerana omena azy<ref><small>"[http://tenymalagasy.org/bins/teny2/Adijady Adijady]", ao amin'ny ''Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara''.</small></ref>. Tonom-bintana fanorenan-trano sy fampakaram-bady ny Adijady.
 
== Fiavian' ilay anarana ==
[[Sary:RR5110-0045R.gif|vignette|136x136px|Sary maneho ny Adijady]]
Avy amin' ny anaran' [[Antokon-kintana|antokon-kintan']] ny [[zodiaka]] amin' ny [[Fiteny arabo|teny arabo]] hoe اجدي / ''Al-Djadi'' ("osilahy") ny hoe ''Adijady.'' Amin' ny faritra maro eto [[Madagasikara]] dia atao hoe ''Alijady'' io teny io.
 
Ligne 28 ⟶ 27 :
 
== Volana Adijady ==
[[Sary:CMUs.jpg|vignette|142x142px]]
Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Adijady ho volana fahafolo amin' ny taona ao amin' ny [[Tetiandro malagasy|tetiandro malagasy]] (raha ny [[Alahamady]] no ataony volana voalohany). Manomboka amin' ny vava Adijady ka miafara amin' ny vody Alakaosy ny volana Adijady raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Alakaosy dia miafara amin' ny vava Adijady ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Adijady io dia mifarana amin' ny vonto Adijady ny volana izay misy 30 andro.