Radama Voalohany: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-5:
 
== Tantaram-piainana ==
Valo ambin'ny folo taona [[Ilaidama]] raha nandimby an' Andrianampoinimerina tamin' ny taona 1810, ary Radama I no anarana nentiny. Taorian'ny nahafatesan'ny rainy tamin'ny 1810 dia lasa nanafika ny Bezanozano sy ny Sihanaka ary ny tanin'andriana betsileo izay nihevitra fa afaka nanararaotra ny tsifananany traikefa amin'ny politika Radama. Nahomby ny fanafihana. Voaporofo araka ny fahombiazany ny herin' Imerina ary ny fanatanterahana ny sitra-pon'ny rainy ("Ny ranomasina no valamparihiko") sisa no zavatra hatao mba hahafahany mifandray amin'ny firenena eoropeana. Ny [[Fanjakana Mitambatra]] no voalohany manohana azy.
 
Izy no neken'ny governemanta britanika ho mpanjakan'i Madagasikara. Namarana fifanekena i Radama tamin'ny 1817 niaraka tamin'ny governoran'i Britanika ao [[Maorisy]] mba hanafoanana ny fivarotana andevo mendri-kaja ho an'ny miaramila britanika sy ny fanampiana ara-bola. Nanomboka tonga tamin'ny tona 1818 ny misionera anglisy avy amin'ny [[London Missionary Society]]; anisan'ireo olona ireo i [[James Cameron]], [[David Jones]] ary [[David Griffirths]] izay nanangana sekoly, nametraka ny [[Abidy malagasy|fanoratana teny malagasy]] tamin'ny alalan'ny [[abidy latina]] ary nandika ny baiboly, ary koa nampiditra karazana teknôlôjia vaovao teto amin'ny nosy Madagasikara.
 
Nandritra ny taonjato faha-19 dia nisy fifandrafiana teo amin'ny fitondrana frantsay sy ny mpitondra anglisy tao amin'ny nosy [[Maorisy]] izay nihevitra an'i Madagasikara ho eo ambany fifehezany. Voasolon'ny Angletera noho izany ny toerana notazonin'i [[Frantsa]] tao Madagasikara, ary afaka nifandray ara-pihavanana sy ara-diplomatika tamin-dRadama I izy ireo. Ny fanjakan'i Radama I, noho izany, dia voamariky ny fananan'ny Anglisy fahefana tanteraka.
 
Nandritra ny fiandrianany no nanitaran'i Radama ny fanjakany hatrany [[Toamasina]], [[Mahajanga]] ary [[Taolagnaro]]. Nofoanany ny fanandevozana, natsangany ny tafika, ny fitsarana ambony sy ny mpitsara fara-tampony. Nofoanany koa ny fanamelohana ho faty, fa nosoloiny ny fonja. Natsangany ny sekoly, ny fanotam-boky, ary ny tenany mihitsy no manara-maso akaiky ny taozava-baventy sasantsasany.
 
Nomeny fahalalahana hisafidy ny finoany ny vahoakany na dia somary tsy niraika firy tamin'ny fivavahana aza izy. Tamin'izany no nahazo vahana ny "fitoriana ny tenin'Andriamanitra" nataon'ny Protestanta.
 
Ny 27 jolay 1828 izy no niamboho, tamin'ny faha-enina ambin'ny telopolo taonany ; ny zava-pisotro mahamamo no nanimba ny fahasalamany. Ramatoa vadiny, Ramavo, no nandimby azy.
 
== Jereo koa ==