Fiteny foinikiana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Phoenician Language.png|vignette|362x362px|Fielezan'ny fiteny foinikiana]]
Ny '''fiteny fenisiana''' na '''fiteny foinikiana''' na '''fiteny foenikiana''' dia fiteny avy ao amin' ny morontsirak' i Libàna, ao amin' ny faritra atao hoe "tanin' i Kanaana" na "tany Kanana" (araka ny fiantsoan' ny [[Fenisia|Fenisiana]] sy ny [[Arabo (olona)|Arabo]] sy ny [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] ary ny [[Arameana]]), na [[Fenisia]] na Foinikia na Foenikia (araka ny fiantsoan' ny [[Grika]] sy ny [[Romana (vahoaka)|Romana]]), na ''Pūt'' amin' ny [[Fiteny egiptiana taloha|fiteny egiptiana]] taloha. Ny fiteny fenisiana dia [[fiteny semitika]] ao amin' ny zana-bondron'ny [[fiteny kananeana]], dia vondrona ipoiran'ny [[fiteny hebreo]]. Ny fiteny fenisiana dia notenenina tao [[Libana|Libàna]], tamin'ny morontsirak'i Siria, tao [[Palestina]], tao amin'ny tapany avaratr'i [[Isiraely|Israely]] ankehitriny, ary tao amin'ny ampahan'ny nosy [[Kiprosy]] (ka nifanakaiky amin'ny fiteny grika izy tao). Niteny fenisiana koa ny faritra sasany tany [[Anatolia]] (Azia Minora) noho izy fiteny manan-kaja. Niteny fenisiana koa ny faritra voakasiky ny fanjanahan-tany fenisiana: ny morontsiraka atsimo-andrefan'i [[Mediteranea]], ary indrindra ny tao [[Tonizia]] ankehitriny, ny tao [[Marôka]], ny tao [[Malta]], ny faritra andrefan'i Sisilia, ny ao Sardinia, ny tao Korsa, ny tao amin'ny Andrin'i Heraklesy.
 
Ny fiteny fenisiana dia nosoratana tamin'ny [[abidy fenisiana]]. Ny fiteny fenisiana dia fantatra noho ireo soratra vitsivitsy, noho ny fitenenana raikitra momba ny fivavahana na ny fitantanan-draharaham-panjakana, sy noho ny rakibolana tsotra amin'ny teny roa nataon'ny mpanoratra grika na latina.
Andalana faha-9:
 
* [[Foinikia]]
Fiteny kanaanita:
 
* [[fiteny fenisiana]];
* [[fiteny ponika]];
* [[fiteny hebreo]];
* [[fiteny ogaritika]];
* [[Fiteny amonita|fiteny amônita]];
* [[Fiteny moabita|fiteny môabita]];
* [[Fiteny edomita|fiteny edômita]].