Pentateoka: Fahasamihafan'ny versiona

tsy misy ambangovangom-panovana
k (Rohy)
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Aucun résumé des modifications
'''Pentateoka''', '''Boky dimin' i Mosesy''' na '''Boky dimin' i MoizyMôizy''' no iantsoana ny fitambaran' ireo boky dimy voalohany ao amin' ny [[Baiboly]], izany hoe ao amin' ny [[Testamenta Taloha]]. Ny fizaràna hafa manampy an' io ao amin' ny Testamenta Taloha dia ireo [[Boky ara-tantara (Baiboly)|Boky ara-tantara]] sy ireo [[Bokim-pahendrena (Baiboly)|Bokim-pahendrena]] ary ireo [[Bokin'ny mpaminany (Baiboly)|Bokin' ny Mpaminany]]. Marihina fa ny Kristiana no mampizara efatra ny Testamenta Taloha arak' izany. Ny Pentateoka no ataon' ny Jiosy amin 'ny teny hebreo hoe [[Torah]] ("lalàna").
 
== Fiforonan-teny ==
Avy aminin' ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ''πεντάτευχος'' / ''pentateukhos'' / ny hoe ''pentateoka''. Amin' ny [[Fiteny latina|teny latina]] izy dia atao hoe ''pentateuchus''. Izany dia entina manondro ilay ataon' ny [[Jiosy]] hoe "ny Dimy ampahadimin' ny Torah". Ny hoe "Boky dimin' i Mosesy" dia andian-teny nandikana ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] izay midika ara-bakiteny hoe "dimy ampahadimin' ny Lalàna". Atao hoe koa "Lalàn' i Mosesy" na "Lalàn' i Moizy" io fitambaram-boky io. Izany dia fandikana ny teny hebreo hoe "''Tōraṯ Mōshe''".
 
== Ny boky ao amin' ny Pentateoka ==
Ireto avy ireo boky ao amin' ny Pentateoka: ny ''[[Bokin'ny Genesisy|Genesisy]]'' na ''Jenezy'', ny ''[[Bokin'ny Eksodosy|Eksodosy]]'' na ''Eksaody'', ny ''[[Bokin'ny Levitikosy|Levitikosy]]'' na ''Levitika'', ny ''[[Bokin'ny Nomery|Nomery]]'', ary ny ''[[Bokin'ny Deoteronomia|DeoteronomiaDeoterônômia]]'' na ''DeoteronomyDeoterônômy''.
 
=== Ny Bokin' ny Genesisy na Jenezy ===
Mitantara ny [[Famoronana (finoana sy fedrà)|famoronan]]'Andriamanitra izao rehetra izao sy ny olombelona voalohany ny [[Bokin'ny Genesisy]] (na [[Jenezy]] na Genesý). Mitantara ny amin'ny [[safodrano]] lehibe tamin'ny andron'i [[Noa]] izay vokatry ny [[fahotana]] nataon'ny taranak'ireo olombelona ireo ilay boky. Tantarainy koa ny amin'ny nampanjarian'Andriamanitra ny fitenin'ny olombelona ho maro tamin'ny nanamboaran'izy ireo ny [[Tilikambon'i Babela]]. Miresaka momba ireo Raiben'ny Israely toa an'i [[Abrahama]] sy i [[Isaka (Hebreo)|Isaka]] sy i [[Jakoba]] ary i [[Josefa (zanak'i Jakoba)|Josefa]] koa io boky io. Ny [[lovantsofina]] dia milaza fa i [[Mosesy]] na Moizy no nanoratra ny Bokin'ny Genesisy.
 
=== Ny Bokin' ny Eksodosy na Eksaody ===
Mitantara ny fanafahana ireo [[Hebreo (mponina)|Hebreo]] (na Hebrio) avy any Ejipta (na Egipta) sy ny fivezivezeny tany amin'ny tany efitra hatrany amin'ny tendrombohitra [[Tendrombohitra Sinay (Baiboly)|Sinay]] ny [[Bokin'ny Eksodosy]] (na [[Eksaody]]). Maneho ny fisian'ilay Andriamanitra mpanafaka io boky io.
 
Miresaka sy mitantara ny amin'ny fanompoam-pivavahan'ny Israelita izay nankinina tamin'ny fokon'i [[Levy (zanak'i Jakoba)|Levy]] ny [[Bokin'ny Levitikosy]] (na [[Levitika (boky)|Levitika]]).
 
=== Ny Bokin' ny Nomery na Fanisana ===
Manohy ny tantara ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy momba ny dian'ny Israelita namakivaky ny tany efitr'i Sinay notarihin'i [[Mosesy]] (na Môizy) hatrany amin'ny lemak'i Moaba, tsy lavitra ny tany [[Kanaana|Kanana]] ny [[Bokin'ny Nomery]] na Bokin'ny Fanisana.
 
=== Ny Bokin'ny DeoteronomiaDeoterônômia na DeoteronomyDeoterônômy ===
Manantitra ny momba ny lalàna sy ny tsy maitsy hanajana azy araka ny efa voalaza rahateo ao amin'ireo bokin-dalàna telo voalohany ([[Bokin'ny Eksodosy|Eksodosy]], [[Bokin'ny Levitikosy|Levitikosy]], [[Bokin'ny Nomery|Nomery]]) ny [[Bokin'ny Deoteronomia|Bokin' ny Deoterônômia]] (na [[DeoteronomyBokin'ny Deoteronomia|Deoterônômy]]).
 
== Fanoratana ny Pentateoka ==
Ny Pentateoka dia fanangonan-dahatsoratra nataon' ny mpanoratra jiosy manodidina ny vanimpotoan' ny [[fahababoana tany Babilona|fahababoana tany Babilôna]] (taona 588 hatramin' ny taona 538 tal. J.K.<ref><small>Rainer Albertz, ''Israel in exile: the history and literature of the sixth century BCE'', p.xxi.</small></ref>) sy taorian' izany<ref><small>Thomas Römer, ''Introduction à l'Ancien Testament'', Labor et Fides, 2009, <abbr>p.</abbr> 150-153.</small></ref>. Ny famoahana izany literatiora tsy namafa ny fahasamihafan' ny safidy teolojikanteôlôjikan' ny mpanoratra izany, dia midika fametrahana lasitra maneho ny maha-izy ny [[jodaisma]] vao misandratra, sady fiatrehana ireo fiovana ara-politikapôlitika sy ara-toekarena ary ara-pivavahana nifanehatra amin' ny jodaisma<ref><small>Félix García López, ''Comment lire le Pentateuque'', Labor et Fides, 2005, <abbr>p.</abbr> 9</small></ref>.
 
Hatramin' ny faramparan' ireo taona 1990 sy nandritra ireo taona 2000 dia naroson' ny mpikaroka ny fiheverana fa ny votoatin' ny lahatsoratry ny Pentateoka sy ireo boky izay manaraka azy toy ny [[Bokin'i Josoa|Bokin' i Josoa]] (na Jôsoe) na ny [[Bokin'ny Mpitsara|Bokin' ny Mpitsara]], dia azo antoka fa nangonina tamin' ny vanipmpotoana [[Persia|persiana]], izany hoe teo anelanelan' ny taonjato faha-5 sy faha-4 tal. J.K.<ref><small>Christophe Nihan et Thomas Römer, ''Introduction à l'AT'', <abbr>p.</abbr> 179, 182</small></ref> na raha aloha indrindra dia teo anelanelan' ny taonjato faha-7 sy faha-6 tal. J.K.<ref><small>[https://www.letemps.ch/culture/2014/03/27/filature-un-theologien-suisse-connaitre-origine-dieu La filature d’un théologien suisse pour connaître l’origine de Dieu] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fwww.letemps.ch%2Fculture%2F2014%2F03%2F27%2Ffilature-un-theologien-suisse-connaitre-origine-dieu tahiry]], entretien Thomas Römer, letemps.ch, 27 mars 2014</small></ref>.
 
== Jereo koa: ==
Fanasokajiana ny boky ao amin' ny [[Tanakh]] (Baiboly jiosy):
 
* [[Torah]] (Lalàna)
* [[Ketuvim]] (Soratra)
 
Fanasokajiana ny boky ao amin' ny Testamenta Taloha (kristiana):
 
* Pentateoka na Boky dimin' i Mosesy
 
* [[Bokin'ny mpaminany (Baiboly)|Bokin' ny mpaminany]]
* [[Boky ara-tantara (Baiboly)|Boky ara-tantara]]
* [[Bokim-pahendrena (Baiboly)|Bokim-pahendrena]]
Petra-kevitra:
 
* [[Petra-kevitra ara-tahirin-kevitra]]
* Tahirin-kevitra iahvista
 
* [[Tahirin-kevitra elôhista]]
 
* [[Tahirin-kevitra deoterônômista]]
 
* [[Tahirin-kevitry ny mpisorona|Tahirin-kevitry ny mpisorona.]]
 
== Loharano sy fanamarihana ==
29 448

modifications