Fahagagana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:HealingGustaveDore.jpg|vignette|322x322px|''Fanasitranana tataon'i Jesoa tao Genesareta'', nataon'i Gustave Doré, taonjato faha-19.]]
Ny '''fahagagana''' dia zava-miseho tsy araka ny mahazatra na heverina fa tsy fehezin' ny lalanan' ny natiora, sady asan' ny hery tsy hita maso avy amin' ny [[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]] na avy amin' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] na ny [[fanahy]] hafa. Fisehoan-javatra [[Fihoa-draha|mihoa-draha]] ny fahagagana ka tsy voafehin' ny fahefana na ny hery na ny fahaizan' ny olombelona. Mety hiseho mivantana tsy misy mpanelanelana izany nefa mety ho amin' ny alalan' ny mpanompon' io andriamanitra io na ny mpanompon' Andriamanitra. Tsy manan-kambara ny amin' ny fahagagana ny [[siansa]] satria zavatra tsy hay hazavaina na porofoina araka ny lalanan' ny saina izany.
 
Isan' ny maha [[fivavahana]] ny fivavahana ny fisian' ny fitantarana fahagagana. Amin' ny fiarahamonina sasany dia inoana fa ny olona ipetrahan' ny [[tromba]] dia afaka mifandray mivantana amin' ny hery tsy hita maso sady afaka mitsabo ny aretina amin' ny alalan' izany fahefany izany. Matetika ny mpanorina ny fivavahana iray dia inoanan' ny mpanaraka azy fa manana fahefana mahagaga. Araka ny finoana [[jodaisma]] dia nanatanteraka fahagagana araka ny baikon' Andriamanitra i [[Mosesy]] (na Môizy). Ny [[Silamo]] koa dia mino fa nanatanteraka fanasitranana mahagaga maro ny mpaminany [[Mohamady]].
 
Ao amin' ny [[Kristianisma|fivavahana kristiana]] dia tsy i [[Jesoa]] ihany no inoana ho nanao fahagagana fa ireo [[Apostoly roa ambin'ny folo|mpianany]] sy ny olo-masina hafa koa ary tsy tamin' ny [[Andro Taloha]] ihany izany fa hatramin' izao. Maro ireo fahagagana nataon' i Jesoa tantaraina ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]], ka isan' izany ny [[Fitsanganan-ko velona (kristianisma)|fananganana ny maty ho velona]], ny fanovana ny rano ho divay, ny fampitomboana isa ny mofo sy ny hazandrano mba hamahanana olona an' arivony maro, ny [[famoahana demonia]], ny fanasitranana ny marary sy ny kilemaina. Amin' ny Kristiana dia ny [[Fitsanganan'i Jesoa ho velona|fitsanganan' i Jesoa amin' ny maty]] no fahagagana lehibe indrindra tantaraina ao amin' ny Testamenta Vaovao.