Eseniana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''[[Eseniana]]''' dia ireo olona tao amin' ny antoko mpanaraka ny [[jodaisma]] tamin' ny vanimpotoan' ny [[Tempoly Faharoa]] izay niroborobo nanomboka tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. sady nanomboka fanta-pisiana tamin' ny taonjato voalohany tao [[Palestina]].
 
Araka an' i [[Flavio Josefa]] dia iray amin' ireo antoko telo lehibe teo amin'ny fiarahamonina jiosy tao Palestina ny Eseniana (ny roa hafa dia ny [[Fariseo]] sy ny [[Sadoseo]]). Fikambanan' olona miaina anaty fahantrana an-tsitrapo ny Eseniana sady manatanteraka filomana an-drano isan'andro (sahala amin'ny [[batisa]]) sady mifady ny fahafinaretana eto amin' izao tontolo izao.
 
Nalaza ny Eseniana tamin' izao vaninandro vaovao izao noho ny fahitana ny tahirim-boky ara-pivavahana nanomboka tamin' ny taona 1947 izay nomena ny anarana hoe "[[Soratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty|Soratanam-piraketan' ny Ranomasina Maty]]", ka zato eo ho eo amin' ny 870 no mety ho soratry ny Eseniana, na an' antoko mitovitovy aminy nitondra ny anarana hoe ''Yahad'' ("Firaisana") ao amin'ny soratra miisa telopolo eo. Na dia izany aza dia tsy ifanarahan'ny mpikaroka rehetra izany fampitoviana ny Eseniana amin' ny Iahady izany.
 
Niparitaka ny Eseniana taorian' ny fandravan' i Tito ny [[Tempolin'i Jerosalema]] tamin' ny taona 70 taor. J.K. Mety niisa 4 000 izy ireo tao Palestina sy [[Ejipta tamin'ny Andro Taloha|Egipta]] ary [[Siria (faritra)|Siria]]. Ny fikambanana lehibe indrindra, izay nisy maromaro, dia nonina teny amoron' ny [[Ranomasina Maty]]. Mahaleo tena ny fikambanana tsirairay izay mivelona amin' ny fambolena sy ny asan-tanana<ref name=":0"><small>"Esséniens", ''Microsoft Encarta 2009''. 1993-2008 Microsoft Corporation</small></ref>.
 
Manandratra avo ny fitiavana an' Andriamanitra sy ny fitiavana ny hatsaram-panahy ary ny fitiava-namana ny fampianaran' ny Eseniana. Miombom-pananana izy ireo. Mitandrina ny [[Sabata (jiosy)|Sabata]] sy ny fahadiovana ara-pivavavahana izy ireo ka mandro amin' ny rano mangatsiaka sy mitondra fitafiana fotsy. Tsy mianiana izy ireo afa-tsy alohan' ny hiditra ho mpikambana. Fadîny ny manao sorona biby sy manamboatra fitaovam-piadiana ary ny manao raharaham-barotra<ref name=":0" />.
 
== Ny anarana hoe ''Eseniana'' ==
Ny teny hoe ''Eseniana'' dia [[fanagasiana]] ny [[Fiteny frantsay|teny frantsay]] hoe ''Essenien'' izay avy amin'ny teny grika hoe ''Eσσήνοι'' / ''Essēnoi.'' Amin' ny [[Fiteny anglisy|teny anglisy]] dia ny hoe ''Essenes'' no fanoratra. Amin' ny [[Fiteny latina|teny latina]] dia soratana hoe ''Esseni.'' I [[Flavio Josefa]] sy i [[Filo avy any Aleksandria]] ary i [[Plinio Zokiolona]], izay nanoratra amin' ny [[Fiteny grika|teny grika]], dia miresaka ny amin' ny hoe ''Eσσήνοι'' / ''Essēnoi'' na ''Eσσαίοι'' / ''Essaioi'' na ''Oσσαίοι / Ossaioi''. Amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] izy ireo dia atao hoe אִסִּיִים‬ / ''Isiyim''. Io teny io dia tsy hita na ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]] na ao amin' ireo soratra tao amin' ny [[Ranomasina Maty]].
 
Araka ny hevitr' i Émile Puech dia avy amin' ny [[Fiteny arameana|teny arameana]] hoe ''hasaya'' ("tia vavaka") na ''hasîn'' (raha milaza maro), izay nosoratana amin'ny teny grika hoe ''essaioi'' na ''essenoi''. I Filo avy any Aleksandria dia miantso azy ireo hoe ''Hosioi'' "masina", izay andikana ny teny hebreo hoe ''hasidîm'', sady sorata amin'ny teny grika hoe ''Hasidaioi,'' "tia vavaka", araka ny hita ao amin'ny [[Bokin'ny Makabeo]]"<ref><small>Émile Puech, "Esséniens et interprétations", dans ''Qumrân le secret des manuscrits de la mer Morte'', Paris, BNF, 2010, <abbr>p.</abbr> 136.</small></ref>.
 
Araka ny fiheveran'i Filo avy Aleksandria'','' ny teny hoe ''Essaioi,'' na dia tsy teny grika tanteraka aza, dia azo ampifanakekezina amin'ny hevitry ny teny hoe "fahamasinana". Araka ny hevitr'i André Dupont-Sommier dia nampiasa ny fifanahafan'endriky ny teny grika hoe ''Essaioi'' sy ny hoe ''Osioi'' "Masina" na "Madio" i Filo avy any Aleksandria. Araka ny hevitr'ity mpanoratra ity dia ao amin'io teny io ny fototeny hoe ''ess''- izay anoratana [[Fiteny semitika|teny semitika]]. Nihevitra izy fa azo tarafina amin'io ny teny hebreo hoe '''ésah'' izay midika hoe "torohevitra" na "antoko" ka afaka nanatsoa-kevitra fa ny Eseniana ao amin'ny soratra hita tao [[Komràno]] dia tsy iza fa ireo Olon' ny Torohevitr' Andriamanitra na Olon' ny Antokon' Andriamanitra<ref><small>André Dupont-Sommer, ''Qumrân le secret des manuscrits de la mer Morte, Paris, BNF, 2010'', <abbr>p.</abbr> 31.</small></ref>.
 
== Ny toerana nonenan' ny Eseniana ==
Araka an'i [[Flavio Josefa]] dia tsy tamin'ny tanàna iray no nanorim-ponenana ny Eseniana fa nonina tamin'ny tanàna rehetra <ref><small>Flavius Josèphe, ''Guerre des Juifs'', [http://remacle.org/bloodwolf/historiens/Flajose/guerre2.htm#VIII Livre 2, chap. VIII], 2-13 ([http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fremacle.org%2Fbloodwolf%2Fhistoriens%2FFlajose%2Fguerre2.htm%23VIII vakio eto]).</small></ref> <ref name=":1"><small>Norman Golb, ''Qui a écrit les manuscrits de la Mer morte ? : Enquête sur les rouleaux du désert de Juda et sur leur interprétation contemporaine'', Paris, Plon, 1998 (<nowiki>ISBN 9782259183888</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 3</small></ref>. I [[Filo avy any Aleksandria]] kosa dia milaza fa niisa any ho any amin'ny 4 000 ny Eseniana nonina tao Siria palestiniana <ref><small>Philon d'Alexandrie, ''Quod omnis probus liber sit'', XII, 75. Cité par Eusèbe de Césarée dans ''Preparatio evangelica'', [http://remacle.org/bloodwolf/historiens/eusebe/preparation8.htm#XII Livre 8, chap. XII] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fremacle.org%2Fbloodwolf%2Fhistoriens%2Feusebe%2Fpreparation8.htm%23XII tahiry]].</small></ref> sy tamin'ny tanàn-dehibe maro tao Jodea sy tamin'ny vohitra maro hafa<ref><small>Philon d'Alexandrie, ''Apologie pro Judæis'' ao amin’i Eusèbe de Césarée, ''Preparatio evangelica'', [http://remacle.org/bloodwolf/historiens/eusebe/preparation8.htm#XI Boky faha-8, toko faha-11] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fremacle.org%2Fbloodwolf%2Fhistoriens%2Feusebe%2Fpreparation8.htm%23XI tahiry]].</small></ref>. Nikambana tamin'ny fikambanana maro miray hina tanteraka sy tsy mifandray amin'ny any ivelany ny Eseniana tao amin'ny tanan-dehibe jiosy tao Palestina<ref name=":1" />. Tao amin'ny morontsiraka andrefan'ny Ranomasina Maty somary lavitra ny sisin-dranomasina, tao amin'ny tanànan'i Engaddi, ny Eseniana resahin'i [[Plinio Zokiolona]] <ref><small>Pline l'Ancien, ''Histoire naturelle'', [http://remacle.org/bloodwolf/erudits/plineancien/livre5.htm Livre 5] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fremacle.org%2Fbloodwolf%2Ferudits%2Fplineancien%2Flivre5.htm tahiry]], <abbr>XV</abbr>.</small></ref> <ref><small>Norman Golb, ''Qui a écrit les manuscrits de la Mer morte ? : Enquête sur les rouleaux du désert de Juda et sur leur interprétation contemporaine'', Paris, Plon, 1998 (<nowiki>ISBN 9782259183888</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 15.</small></ref>.
 
Miresaka ny amin'ny "vavahadin'ny Eseniana" i Flavio Josefa raha nilazalaza ny amin'ny faritra alehan'ny rindri-mandan'i Jerosalema tranainy indrindra<ref><small>Flavius Josèphe (v. 75). ''Guerre des Juifs'', 5, 145.</small></ref> izay lazainy fa teo amin'ny tendrombohitra Ziona (na Siôna), izay nenti-nanondroana ny havoan'i Ophel izay hita ao atsimon'ny tendrombohitry ny Tempoly tamin'izany fotoana izany<ref><small>Simon Claude Mimouni, ''[https://books.google.fr/books?id=iPiR0YOnWFkC&lpg=PA459&dq=%22Journal%20of%20Sacred%20Literature%22%20Wright&hl=fr&pg=PA534#v=snippet&q=Sion&f=false Dormition et Assomption de Marie : histoire des traditions anciennes]'' [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fbooks.google.fr%2Fbooks%3Fid%3DiPiR0YOnWFkC%26lpg%3DPA459%26dq%3D%2522Journal%2520of%2520Sacred%2520Literature%2522%2520Wright%26hl%3Dfr%26pg%3DPA534%23v%3Dsnippet%26q%3DSion%26f%3Dfalse tahiry]], <abbr>p.</abbr> 534.</small></ref>. Mety nisy fikambanana eseniana angamba teo amin'io vakin-tanàna io.
 
== Ny finoan' ny Eseniana ==
Araka an'i François Blanchetière dia vondrona iray ihany ny Yahad sy ny Eseniana izay Jiosy manaja tanteraka izay rehetra voasoratra ao amin'ny Soratra Masina ka mitandrina ny ''Mizvot'', na dia tsy nanatanteraka fanompoam-pivavahana anaovana sorona ao an-[[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] aza izy ireo. Amin'io mpanoratra io dia namolavola fiheverana sy finoana izay niafina nandritra ny fotoana ela izy ireo, noho izy ireo nanao fianianana tsy hamboraka amin'olon-kafa izany fiheverana sy finoana izany ivelan'ny fikambanana, sady izany fiheverana sy finoana izany dia tsy fantatra raha tsy tamin'ny fotoana nahafaha-namantatra ny hevitr'ireo soratanam-piraketana niafina teo amin'ny morona andrefan'ny [[Ranomasina Maty]]. Tonga saina izy ireo fa izy no fikambanan'ny Fanekena Vaovao izay havaozina isan-taona (4Q 226, 16-18) sy tarihin'ny vondro-mpisorona eo afovoan'ny tontolo ifandrotehan'ny fanahin'ny Fahazavana sy ny Aizina<ref><small>François Blanchetière, ''Enquête sur les racines juives du mouvement chrétien'', Paris, Cerf, 2001 <abbr>p. 45.</abbr></small></ref>.
 
Ireto ny fotokevi-dehiben'ny Eseniana: ny fiandrasana ireo [[andro farany]] sy ny fiavian'ny [[Mesia]] iray na maro, ny finoana ny fahalalahan-tsafidin'ny olombelona, ny [[Fitsanganan-ko velona|fitsanganan'ny maty ho velona]], ny famaliana ny natao amin'ny farany, ny fifamatoran'ny anton-javatra sy ny voka-javatra, ny [[fanendren'Andriamanitra mialoha]] (predestinasiona), ny fandavana ny fampisana menaka izay heveriny fa zavatra tsy madio, ny tsy fanaovana sorona ao amin'ny Tempoly intsony (Bokim-pianarana ny Fifehezana 9.4-5) ary ny fivavahana ampitodihana ny loha miatsinanana<ref><small>François Blanchetière, ''Enquête sur les racines juives du mouvement chrétien'', Cerf, 2001, 586 p.(<nowiki>ISBN 9782204062152</nowiki>)., <abbr>p.</abbr> 45-46</small></ref>. Ny mpandinika sasany dia mihevitra fa tsy miresaka ny amin'ny fitsanganan-ko velona ny mpanoratra ireo soratanam-piraketana<ref><small>Simon Claude Mimouni, ''Le judaïsme ancien du'' vi''e siècle avant notre ère au'' iii''e siècle de notre ère'', Paris,PUF, 2012 (<nowiki>ISBN 978-2-13-056396-9</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 243.</small></ref>.
 
Araka ny hevitr'i André Paul dia maneho fifandraisana amin'ny firehana gnostika ny soratra tao Komràno. Hita ao ny [[gnostisisma]] jodaika amin'ny endrika talohan'ny fivavahana kristiana. Hita izany ao amin' ny literatiora jodeo-grika na tao amin'ireo [[soratra apokaliptika]]. Voamarin'ny soratra avy tao amin'ny zohin'i Komràno izany, izay mpanambara mialoha ilay fikambanana tanjonina na vavolombelon'ireo literatioram-pahendrena<ref><small>André Paul, ''Qumrân et les esséniens : L'éclatement d'un dogme'', Paris, Cerf, 2008 (<nowiki>ISBN 978-2-204-08691-2</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 127</small></ref>.
 
== Ny Soratanam-piraketan' ny Ranomasina Maty ==
Andalana faha-33:
Ireo horonan-tsoratra ireo dia ahitana fitsipi-pifehezana, fihirana, fivoasana ny [[Baiboly hebreo]] ary [[Literatiora apokaliptika|lahatsoratra apôkaliptika]] maro, ka isan' izany ny ampahany lehibe amin' ny [[Bokin'i Isaia|Bokin' i Isaia]] tranainy indrindra, sy sombiny maro amin' ny bokin' ny [[Testamenta Taloha]]. Nisy koa ny lahatsoratra amin' ny boky sokajina ho [[Apokrifan'ny Baiboly|apôkrifa]] sy [[Pseodepigrafa (Baiboly)|pseodepigrafa]], ka isan' izany ny [[Bokin'i Tobia|Bokin' i Tobia]], ny [[Bokin'i Siràka|Bokin' i Siràka]], ny [[Bokin'ny Jobily|Bokin' ny Jobily]], ny [[Bokin'i Henoka|Bokin' i Henôka]] ary ny [[Testamentan'i Levy|Testamentan' i Levy]].
 
== Jereo koa: ==
 
=== Antoko jiosy ===
 
==== Antoko sy firehana matanjaka tao amin'ny jodaisma ====
Ligne 52 ⟶ 54 :
* [[Boetosiana]]
* [[Jiosin'i Elefantina]]
 
=== Samihafa ===
 
* [[Komràno]]
 
== Loharano ==