Soratanam-piraketan' ny Ranomasina Maty: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-25:
Ny fifanahafana eo amin'ny finoana sy ny fanao resehina ao amin'ny soratanam-piraketana sy ireo izay lazain'i [[Filo avy any Aleksandria]] sy i [[Flavio Josefa]] fa an'ny [[Eseniana]], dia mahatonga ny mpikaroka maro hihevitra fa io antokom-pinoana jiosy tao Komràno io dia manam-pifandraisana amin'ny Eseniana. Hamafisin'ny asasoratra nataon'i [[Plinio Zokiny]] izany fampitovizana iteo sekta roa ireo izany, dia i Plinio izay nitatitra fa nonina tao amin'ny faritr'i Kirbeta Komràno ny Eseniana. Ny mpanoratra sasany dia manantitra ny fahasamihafan'ny sekta tao Komràno sy ny Eseniana ka mihevitra fa samy hafa nefa misy fitoviana fotsiny izy roa tonta ireo fa tsy zavatra tokana.
 
== Ny lanjan' ny soratanam-piraketana tao Komràno ==
 
=== Lanja ara-tantaran' ireo soratanana ===
Manana ny lanjany amin'ny lafiny tantara ny soratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty noho izy ireo miteny ankolaka ny olona sasany sy ny zava-mitranga sasany izay mifanandrify amin'ny vanimpotoana nielezan'ny kolontsaina grika sy amin'ny fiantombohan'ny vanimpotoana najakan'ny Romana teo amin'ny tantaran'ny [[Jiosy]].
 
Andalana faha-46:
 
Na dia ahitana votoatiny mampahatsiahy ny fiheverana kristiana aza ny soratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty dia misy ny foto-pampianarana kristiana tsy hita ao amin'ireo soratanana ireo, ka ohatra amin'izany ny [[Fahatongavana ho nofo|fahatongavan'Andriamanitra ho nofo]] sy ny famonjena amin'ny alalan'ny [[hazo fijaliana]].
 
== Jereo koa ==
 
* [[Septoajinta]]
* [[Komràno]]
* [[Eseniana]]
* [[Lahatsoratra masôretika]]