Mpaminanin' i Israely: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Mpaminany
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 4 Martsa 2021 à 09:25

Ny mpaminanin' i Israely dia olona manana fahafahana hamantatra ny zava-kitranga amin' ny hoavy amin' ny alalan' ny tsindrimandry avy amin' Andriamanitra, ka manambara izany mialoha amin' ny alalan' ny teniny mivantana na ny soratra ataony sady mitenenana amin' ny anaran' Andriamanitra hampita ny hafany. Hetsehin' Andriamanitra sady miasa amin' ny anaran' Andriamanitra ny mpaminany ka mety hifanohitra amin' ny hevitry ny mpiara-belona aminy izy noho izany. Ao amin 'ny fivavahana jiosy ny mpaminany dia manambara ny zava-doza mety hitranga tokoa raha tsy miova fitondran-tena ny vahoaka, ary ireo mpaminany ireo dia mampiseho famantarana sy fahagagana mba hinoana izay voalazany. I Abrahama no mpaminany voalohany voalaza ao amin' ny Torah. Atao hoe נביאים / nevi'im na nebhi'im ny mpaminany amin' ny teny hebreo.

Ny mpaminany ao amin' ny Tanakh

Ny mpaminany "mpanoratra"

Anarana anondroana ny fizaràna faharoa ao amin' ny Baiboly jiosy amin'ny teny hebreo (na Tanakh) ny hoe Nebhi'im na Nevi'im. Ny boky nosoratan' ny mpaminany lazaina araka ny lovantsofina jiosy fa nanoratra no avondrona amin' io anarana hoe Nevi'im io. Ireo mpaminany nanoratra ireo dia sokajina ho mpaminany taloha (hebreo: נביאים ראשונים / Nevi'im Rishonim) sy mpapinany taoriana (hebreo: נביאים אחרונים / Nevi'im Aharonim).

I Mosesy na Môizy, izay lazaina fa lehibe indrindra, dia ataon' ny lovantsofina jiosy fa nanoratra ny Torah (ny boky dimy voalohany ao amin' ny Baiboly), nefa tsy isaina ao amin' io atao hoe Nevi'im io. Matetika ireo mpaminany ireo dia tsy mankasitraka ny fahefana ara-pôlitika fa mitsikera na manohitra azy.

Ireto avy ireo mpaminany ireo: Jôsoa, i Samoela, i Isaia, i Jeremia, i Ezekiela, ireo mpaminany madinika roa ambin' ny folo (i Hôsea, i Jôela, Amôsa, Ôbadia, i Jônà, i Mikà, i Nahoma, i Habakoka, i Zefania, i Hagay, i Zakaria, i Malakỳ). Marihina fa na dia lazaina araka ny lovantsofina fa nanoratra bokim-paminaniana i Daniela dia tsy voasokajin' ny Jiosy ho isan' ny "Mpaminany".

Ny mpaminany hafa

Tsy ireo fotsiny noho izany no mpaminanin' i Israely fa maro. Ireto avy ireo mpaminany hafa ireo: i Abrahama, i Aarona, i Mosesy, i Eldada, i Medada, i Gada, i Natàna, i Ahia avy any Silo, i Jeho, i Elia, i Elisa, Jeedo, i Semaia, i Ido, i Obeda, i Odeda, i Asafa ary i Oria. Ireto ny mpaminany vavy: Miriama (anabavin' i Mosesy sy Aarona), i Debora, i Holda ary i Noadia.

Ny mpaminany araka ny Talmoda

Araka an' i Rashi dia nisy mpaminany lahy miisa 48 sy mpaminany vavy miisa 7 tao amin' ny jodaisma. I Malakia no heverina ao amin' ny jodaisma ho mpainany farany. Araka ny lovantsofina jiosy, ny vanipotoan' ny mpaminany, iay atao hoe Nevuah, dia nifarana tamin' i Hagay sy i Zakaria ary i Malakia, izay fotoana nialan' ny fanatrehan' Andriamanitra (hebreo: שכינה‎ / sekina) avy tao amin' ny vahoakan' i Israely.

Ireo mpaminany lahy 48

  1. Abrahama
  2. Isaaka
  3. Jakôba
  4. Mosesy
  5. Aarôna
  6. Jôsoa
  7. Fineasa
  8. Elkana
  9. Ely
  10. Samoela
  11. Gada
  12. Natana
  13. Davida
  14. Sôlômôna
  15. Idô
  16. Mika zanak' i Imla
  17. Ôbadia
  18. Ahia Silônita
  19. Jeho zanak' i Hanany
  20. Azaria zanak' i ÔdedA
  21. Jahaziela Levita
  22. Eliezera zanak' i Dodavaho
  23. Hôsea
  24. Amôsa
  25. Mikà Môrastita
  26. Amôza
  27. Elia
  28. Elisa
  29. Jôna zanak' i Amitay
  30. Isaia
  31. Jôela
  32. Nahoma
  33. Habakoka
  34. Zefania
  35. Oria
  36. Jeremia
  37. Ezekiela
  38. Semaia
  39. Baroka
  40. Neria
  41. Seraia
  42. Meseia
  43. Hagay
  44. Zakaria
  45. Malakia
  46. Môrdekay Bilsana
  47. Ôdeda
  48. Hanany

Ireo mpaminany vavy fito

  1. Saraha
  2. Miriama
  3. Debôra
  4. Hana
  5. Abigaila
  6. Holda
  7. Estera