Kroazada fahenina: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
 
== Antsipiriany ==
Ny kroazada fahenina dia notarihin' ny emperora Friedrich II izay, hatramin' ny taona 1215, nivoady ny hitarika ny fanafihan' ny kroazada. Nohavaoziny teo anatrehan’ ny [[papa]] izany fampanantenany izany tamin' ny taona 1220 nefa, noho ny antony ara-pôlitika anatiny dia nihemotra ny fiaingany. Tsy nisy vokany ny fandrahonana fanonganana nataon’ ny papa [[Gregôrio IX]] (Gregoara IX). Tezitra noho izany fahatarana izany ny papa ka nanatanteraka ny fanonganany ny emperora tamin' ny taona 1227.
 
Niainga an-tsambo nankany amin' ny [[Tany Masina]] tamin' ny volana Jona 1228 ka nanatona ny ampahany be amin' ny tafika nalefany tany Saint-Jean d’Acre izy. Nanao izay hahazoany an’ i Jerosalema izy tamin’ ny nanaovany fifampiraharahana tamin' ny [[Soltana|soltàna]] ejipsiana Al-Kamil. Izany fifampiraharahana izany dia niteraka fifanaraham-pandriam-pahalemana izay nosoniavina tao Jaffa tamin' ny taona 1229, izay nahatonga ny Ejipsiana namerina an' i [[Betlehema]] sy i [[Nazareta]] sy i Silon ary i [[Jerosalema]] tamin' ny Kristiana sady namela malalaka ny lalana mankany amin' ireo tanàna masina. Izany fifanarahana izany, izay nohajaina nandritra ny folo taona, dia tsy nankasitrahan' ny fiangonana kristiana manontolo izay tsy mampitovy ny kroazada amin' ny fifampiraharahana ara-diplômasia.