Wikipedia:Takelaka/3 2021: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Pejy voaforona amin'ny « Sary:Charles Laplante - La première croisade (illustration pour François Guizot).png|vignette|I Godefroy de Bouillon sy ireo mpitarika ny Kroazada voalohany|120px… »
 
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrika tamin'ity 1 Martsa 2021 à 20:02 ity

I Godefroy de Bouillon sy ireo mpitarika ny Kroazada voalohany

Ny kroazada voalohany dia fahafihana miaramila nataon' ny Kristiana tamin' ny taona 1095 hatramin' ny 1099, taorian' ny fandavan' ny Torka seljokida tamin' ny taona 1078 ny hamela malalaka ny fandalovan' ny Kristiana mpanao fivahiniana masina ho any Jerosalema. Tamin' ny fiafaran' izany kroazada izany dia azon' ny Kristiana i Jerosalema sady niforona ny Fanjakana kristianan' i Jerosalema.

Nanomboka tamin’ ny 27 Novambra 1095 ny kroazada, tamin’ ny toriteny nataon’ ny papa Orbano II teo anatrehan’ ny mpivory nandritra ny kônsily tao Clermont (Clermomont-Ferrand ankehitriny), izay nanainga ny mpandray anjara mba hamonjy ny Kristiana any Atsinanana sy hanafaka ireo tanàna sy toerana masina. Nisy nanoina izany antso izany ka maro ireo izay nanatevin-daharana ny mpiantafika, rehefa avy nosalorana ankanjo misy vokovoko (latina: crux).

Manan-talenta amin’ ny paik’ ady ny papa ka nanome indolzansa feno ireo izay nandray anjara tamin’ ny dia nankany Jerosalema sy nanapa-kevitra hiandry ny volana Aogositra 1096 vao izay hamela ny fandehanana isan’ andiany. Ny andiany tsirairay izay nianto-tena sy nanana ny mpitarika niankinany, dia nifidy ny lalan-kombany hatrany Kônstantinôpôly (na Kônstantinôpla) (Istanbul ankehitriny). Ao no niaingan’ ireo fanafihana namelezana ny Seljokida tao Anatôlia sy namelezana ny emperora bizantina, alohan’ ny hahafahana mankany Jerosalema. (tohiny...)