Fedrà: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''fedrà''' dia tantara na hevitra foronin' ny saina ho enti-manazava ny zava-mitranga eto amin' izao tontolo izao na eo amin' ny [[fiarahamonina]] ary indrindra natao hanorenana ny fanao eo amin' ny fiarahamonina araka ny anjara toeran' ny soatoavina fototra ao amin' ny fiarahamonina mitady ny fiombonana<ref><small>Alain Cabantous, ''Mythologies urbaines: Les villes entre histoire et imaginaire'', Presses universitaires de Rennes, 2015, p. 11.</small></ref>. Amin' ny alalan' ny [[lovantsofina]] am-bava no mampita azy amin' ny voalohany, izay manolotra fanazavana ny endrika fototra ao amin' ny tontolo sy ny fiarahamonina nanefy na nampita io fedrà io. Rehefa hadino ka tsy misy mpanaraka intsony ny fivavahana iray dia manjary fedrà: izany no mitranga amin' ny fivavahana seltika taloha sy ny fivavahan' ny Egiptiana, ny an' ny Grika ary ny an' ny Rômana tamin' ny [[Andro Taloha]].
 
Ny mpanoratra malagasy sasany dia mampiasa ny teny hoe ''angano''. Amin'ny ankapobeny dia fitantarana ahitana [[tandindona]] manazava ny niavian'izao tontolo izao sy ireo [[Andriamanitra (anarana iombonana)|andriamanitra]], ny [[Famoronana (finoana sy fedrà)|famoronana]] ny [[biby]] sy ny [[olombelona]]; ny fiavian'ny [[lovantsofina]] sy ny fombafomba ary ny endrika sasany amin'ny asa ataon'ny olombelona<ref><small>"Mythologie", ''Microsoft Encata 2009''</small></ref>. Fitantarana anorenana ny fomba amam-panao eo amin'ny fiarahamonina ny fedrà, ary ny [[firenena]] na ny vahoaka rehetra dia samy manana fedrà.